♦Nigadona eto Madagasikara ny tolakandro teo ny lehiben'ny fikambanana FMA Maneran-tany Masera Chiara Cazzuola... ♦ Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto Madagasikara fa ahitàna aretina haromontana mahazo ny biby mafàna ra... ♦ Nitsidika ny toerana hanaovana ny andrana amin'ilay tetik'asa famadihana ny ranomasina ho azo sotroina any amin'ny Faritra Androy ny Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry... ♦ Mitohy ny fikarohana ataon'ny pôlisy an'ireo tompon'antoka tamin'ny fitifirana olona nitranga tany Afrika Atsimo, ny faran'ny herinandro teo...

♦ Olona miisa 3.000 no nirotsaka an-tsehatra nanatanteraka fanadiovana faobe niaraka tamin'ny Fikambanana Fanjiry tao Antananarivo-renivohitra, ny faran'ny herinandro lasa teo... ♦ Miezaka hatrany  manamora ny fiainan'ny mpanjifa, azo antoka sy malalaka amin'ny fitantanana ny volany, ny BGFI Banky amin'ny fanomezana tolotra vaovao "Gasy Money"... ♦ Notontosaina tany amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa nandritry ny 3 andro ny fihaonamben'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Isan'ny nanamarika ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, ny fihaonana tamin'ireo marary sy mpitsabo ary mpikarakara tao Lourdes...

♦ Laharam-pahamehana ho an'ny fitondràna fanavaozana ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël nandritra ny lanonana famaranana ny fikaonan-doham-pirenen'ny tafika... ♦ Herintaona aty aorian'ny nahafatesan'ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo, Rabenirina Jean Jacques, mitaky hatrany ny hivoahan'ny marina momba izany ireo fianakaviany... ♦ Fanararaotra lehibe ho an'ny kaontinanta Afrikana, ary indrindra h an'i Madagasikara ny ZLECAF. Sehatra iray mampivondrona mpanjifa mihoatra ny arivo tapitrisa...

♦ Nampikorontana ny rehetra ny momba ny andro rahampitso, izay hahatsiarovana ny hetsika 25 septambra 2025. Niova andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ihany ny rahampitso, taorian'ny vaovao samihafa mifamahofao... ♦ Nandray fitenenana teo amin'ny Pilpiotran'ny Firenena Mikambana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny tolak'andro teo. Nataony tamin'ny teny Malagasy ranoray ny lahateniny... ♦ Misy indrokely ny resaka fidiovana sy fahadiovana eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona. Mitaraina ireo mpandeha mpampiasa ny toerana amin'ny tsy fahampian'ny trano fivoahana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...