♦ Namoaka fanambaràna momba ny raharaha tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nametraka fepetra hentitra ho an'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony. Hentitra ny fisavàna amin'ny fitondrana finday mandritra izany... ♦ Ampy tsy misy hatahorana ny famatsiana sy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara hoy ny Ministeran'ny Angovo ka tsy misy ifandraisany amin'izany ny famerana ny fanjifàna eny amin'ny toby mpaninjara... ♦ Mikasa ny haka haba amin'ny sambo mandalo ao amin'ny Detroit d'Ormuz ny filoha Amerikana...
♦ Tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna hahazoana ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle", hitohy hatramin'ny alakamisy 16 jolay izao. Miisa 1.397 ireo mpiadina miatraka ny CAP amin'ity taona ity... ♦ Notoloran'i Etazonia fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa Dolara i Madagasikara. Isan'izany ny lay misy odimoka, fitaovana ara-pahasalamana sy labaoratoara ary fitaovana Starlink miisa 33... ♦ Namaly ireo nanangana "comité ad'hoc" izay nilaza ny hitantana sy hanala azy amin'ny andraikiny ny Federasiôna karate malagasy... ♦ 38.000 mahery ireo mpifindramonina nompodiana niala tao Afrika-Atsimo...
♦ Tsy tokony hamoaka izay vaovao rehetra miparitaka anaty tambazotra serasera ny mpanao gazety, raha tena matihanina, hoy ny talen'ny serasera eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Mahazo vahana ny halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA any Antsirabe. Maherin'ny 7.000 metatra no nisy nangalatra tany an-toerana hatramin'ny volana janoary 2026 hatramin'izao.. ♦ Ny fametrahana rafitra matanjaka eny ifotony ihany no hampahomby ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, izay nahazo vahana tato ho ato saika manerana ny nosy, indrindra ny hala-jaza sy vono olona hoy ny Fivato...
♦ Hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 13 jolay 2026, ilay olona nisoloky ho mpanolontsaina ny Filohan'ny Fanavaozana, izay voasambotra ary nanaovana fanadihadiana teny amin'ny sampana fikarohana eloka be vava an'ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Ho vovaha tsy ho ela ny olana amin'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, izay simban'ny rivodoza Gezani dimy volana lasa izay. Fitaovana maromaro no efa tonga any an-toerana... ♦ Saika mitaky ny hisian'ny fifanarahana pôlitika hametrahana ny satan'ny tetezamita ny antoko pôlitika sy ny vovonana samihafa eto Madagasikara ankehitriny...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco