♦ Hanomboka amin'ny herinandro ambony ny fanadihadiana Parlemantera momba ny fitantanan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina hoy ny Filohan'ny Antenieram-pirenena... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fanatrarana ny fandaharam-pianarana ny famerana ny fahafahana mivezivezy eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo... ♦ Manasa ny mpanao gazety ho avy hanatrika ny fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan'ny Gazety Malagasy izay tanterahana ny zoma ho avy izao, hoy ny CTOJM... ♦ Miezaka amin'ny fampitambarana an'i Libye ankehitriny ireo ankolafy mpifandrafy ara-politika any an-toerana...

♦ Nanentana ny fiangonana hanao fotoam-bavaka manokana ho an'ireo namoy ny ainy ary maintsy ny vahoaka ho tony ny fanambaràna nataon'ny FFKM, manoloana ny halatr'olona sy ny vono olona misy ankehitriny... ♦ Fanirian'i La Frantsa ny hatanterahan'ny fifidianana madio sy mangarahara eto Madagasikara aémin'ny faran'ny taona 2027 hoy ny fanehoan-kevitry ny masoivoho Frantsay Arnaud Guillois... ♦ Tafakatra amin'ny dingan'ny famaranana amin'ny fifaninana ho an'ny mondial-2026, izay hatao ny 19 jolay izao ry zareo Espagnole rehefa nandresy ny ekipam-pirenena Frantsay amin'ny isa 2 noho tsy misy...

• Nanamarika ny fetim-pirenena andraony ny Frantsay. Mbola nitarika ny lanonana ho an'i Madagasikara ny ambasadaorony miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa Arnaud Guillois... • Feno 65 taona androany ny nijoroan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy ny famelabelarana narahana ady hevitra momba ny oniversite sy ny tontolony ary ny fanamby apetraka ho an'ny ho avy, androany... • Baolina kitra: manome tombon-dahany an'i Lafrantsa hibata ny fandresena manoloana an'i Espagne amin'ny lalao manasa-dalana voalohany amin'ny fiadina ny amboara eran-tany anio alina, ireo tompon'andraikitra momba ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara...

♦ Malaza amin'ny resaka pôlitika indray ny hanitarana ny fe-potoana hitantanan'ny Fitondràna ankehitriny ny Firenena. 24 volana ihany no tokony ho faharetan'izao fitondrana izao hoy ny antoko Ilo Mada... ♦ Nanome toky ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony fa voafehy ny fiarovana ny laza adina Bakalôrea. Miantso ny rehetra ho mailo ho an'ireo milaza ho manana izany ny tompon'andraikitra... ♦ Sesilany ny "cours fara-doboka" rehefa akaiky fanadinana tahaka izao. Misy lafiratsiny izy ireny, hoy ireo mpampianatra mpanabe sasany... ♦ Mila vola hatrany amin'ny 1 miliara dôlara ny fanarenana ny faritr'i Gaza, potiky ny ady tao anatin'ny 2 taona...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...