• Nafana ny fifanatrehana mivantana amin'ny alalan'ny fanadihadiana parlemantera teo amin'ny vaomiera misahana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena, sy ireo tompon'andraikitry ny orinasa Jirama, izay notarihin'ny Tale Jeneraliny androany... • Namoaka andiany indray mihira faha-16, niofana momba ny zaitra, ny informatique, ny pâtisserie, ny ivon-toerana fanofanana araka asa tantanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice eny Ampasanimalo... • Tokony hofidiana ny Sefo Fokontany fa tsy hotendrena, raha ny hevitry ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara...

♦ Nampitovy hevitra ka naharafitra volavolan-dalàm-panorenana ireo mivoy ny foto-kevitra Federalisma eto Madagasikara. Tsy fizarazarana ny firenena hoy izy ireo ity rafitra ity... ♦ Mitaky ny hanesorana ireo sefo Fokontany notendren'ny fitondrana teo aloha ny antoko TIM. Voasaringotra amin'ny raharaha maloto samihafa izy ireo hoy ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsirihana amin'ny alalan'ny atrik'asa eny Antaninarenina ireo hirika rehetra mety hidiran'ny kolikoly amin'ny fakàna ny haban-tsena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra...

♦ Higadona anio etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Relique an'i Masindahy François d'Assise. Hitety Diôsezy maromaro izy io araka ny fandaminana... ♦ Nisokatra omaly teny amin'ny oniversite an'Antananarivo ny Doctoriales 2026, andiany faha-12. Afaka manala ny olana manahirana ny Malagasy ny fikarohana ataon'ny Malagasy hoy ireo mpikaroka... ♦ Hihamafy hatrany ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro eran'izao tontolo izao. Isan'ny tena marefo amin'ny voka-dratsiny ny vehivavy Malagasy araka ny fanadihadiana nataon'ny AFCD... ♦ Espagne sy Argentine no hiatrika ny lalao famaranana amin'ny Mondial-2026...

• Tsy misy firenena afaka handroso raha tsy manome lanja ny asa fikarohana, hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy... • Mitady ho banga, noho ny asa andavanandro, ny fanokanan'ny ray aman-dreny fotoana ho an'ny zanany, raha ny fahatsapan'ny fikambanana mitandro sy miaro ny ankizy na ny ASPE... • Ho entina amin'izao vaovao izao ny fandaharam-potoana amin'ny fahatongavan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise eto Madagasikara rahampitso...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...