♦ Miitatra adiny-4 farafahakeliny ny delestazy eto Antananarivo ankehitriny. Miantraika amin'ny mpiasan'ny orinasa izany hoy ny Randrana Sendikaly ka maro ireo alefan'ny mpampiasa anaty fiatoana ara-teknika... ♦ Feno roa volana sy 20 andro androany no tsy hita popoka ilay Sambo AW, niainga tao Mahajanga ho any Comores. Mbola mitohy ny fikarohana hoy ny tae jeneralin'ny APMF raha nanontanian'ny mpanao gazety omaly... ♦ Isa 9 sisa tadiavin'ny Barea dia mety handray anjara amin'ny Mondial 2026. Lalao manaraka mila hakàna fandresena ny fihaonana amin'ny Tchad ny alatsinainy hariva izao...
♦ Hampiakaarina 70 hatramin'ny 80% ny vahoaka hisitraka ny angovo eto Madagasikara. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsaràna ny orinasa JIRAMA amin'ny lafiny teknika sy ny ady amin'ny fatiantoka ara-barotra, hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tokony tsirihina avokoa ireo sakafo vita avy any ivelany miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Nambaran'ity fikambanana ity fa tsy tongatonga ho azy ireo fanapoizinana nitranga tato ho ato izay... ♦ Hiantso ny CAF hijery ny kianja Barea Mahamasina ny Fanjakàna afaka iray volana. Azo antoka ny hahazoana ny "homologartion" hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao...
• Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny hampiakatra hatramin'ny 80 % ny vahoaka hisitraka ny angovo amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Angovo sy Akoran'afo... • Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa fampanarahana ny fenitra ireo seranan-tsambo sy ny fadintseranana eto Madagasikara... • Hahazo fankatoavana avy amin'ny CAF afaka iray volana ny Kianja Barea Mahamasina, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...
• Nanaitra ny maro tao Toamasina androany vao maraimbe, ny firehetrana nitranga tao amin'ny Anjavidy Androranga... • Mety manaitra kanefa tsy zava-baovao ny fisian'ny ambana amin'ny fifidianana. Efa mijery akaiky ny fisorohana izany ny CENI... • Tsy nanafina ny fahafahampony tamin'ny dingana nataon'ireo mpilalao, ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara, Corentin Martins, tao aorian'ny fandresena 2 no ho tsy misy nanoloana an'i Centrafrique omaly...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco