♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ireo OVEC manerana ny nosy omaly. Voatana avokoa ireo kandidà fito, ho an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Voafonja enina no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin'ny fonjan'i Mananjary, tato anatin'ny iray volana sy tapany... ♦ Niato ny fampandehanana ny pipeline an'ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny alakamisy teo. Nisy ny tsy fahatomombanana tampoka tamin'izany fantsona izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...

♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro eran-tany ho an'ny fizahan-tany. Hetsika maro no nankalazana izany tao Antsirabe. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministra tompon'andraikiitra... ♦ Mamaha olana maro ho an'ny mpanjifa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny tolotra tao raharaha avy amin'ny fanjakàna. Sakana nefa ny fahafahan'ny Malagasy mahazo ny internet hoy ny CCOC... ♦ Andry iankinan'ny firoboroboana ny teknolojia ny fifehezana ny matematika. Mihena nefa ny fitiavan'ny malagasy mpianatra ny taranja siantifika amin'izao fotoana izao... ♦ Hampitombo ny krizy ara-toekarena any Liban ny ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hesbolah...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...