♦ Omena 2 volana hitsaràna azy ireo ministra vao notendrena ary hoesorina avy hatrany izay tsy mahavita ny asany hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara... ♦ Niatrika avy hatrany ny filan-kevitry ny ministra sy ny filan-kevitry ny governemanta ireo ministra vao notendrena omaly... ♦ Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i La-Frantsa amin'ny raharaham-pirenena Malagasy, ireo olom-pirenena nanao hetsika teo anoloan'ny masoivoho Frantsay teny Ambatomena, omaly Talata 28 oktobra 2025...
• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...
♦ Ampahafantarina amin'izao antoandro izao eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha ireo ministra mpikamban'ny Governemanta vaovao. Mpanao politika maromaro no tazana mandrafitra izany... ♦ Nisy andian'olom-pirenena nilanja sora-baventy teny anoloan'ny Ambasady Frantsay ny antoandro teo. Aoka tsy hitsabahan'i Lafrantsa intsony ny fitantanana ny firenena Malagasy hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hanesorana ny Tale jeneralin'ny JIRAMA ny Sendikàn'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy. Mandrahona hitarika ho any amin'ny fitokonana ihany koa izy ireo... ♦ Nampiakatra ny raharaha nanamelohana an'ingahy Jair Bolsonaro higadra ny mpisolovava azy...
♦ Mety hivoaka anio ny anaran'ireo ministra mpikamban'ny Governemanta hotarihin'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo. Anio amin'ny 11 ora no hampahafantarina izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Ankizivavy 13 taona no namoy ny ainy, noho ny firehetana trano tetsy amin'ny foibe Loterana Ambohibao omaly. Adim-pamantaran'ora telo vao voafehy ny afo, hoy ny fitantaran'ireo nanatri-maso... ♦ Manomboka ny fanadiovana ny Anjerimanontolo. Hesorina nanomboka omaly ireny voamarina fa tsy mpianatra nefa mipetraka ny mibodo ny trano natokana ho azy ireo eny amin'ny Cité Ankatso...
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco