♦ Vita sahady ny maraina teo ny famindram-pahefana teo amin'ny praiministra teo aloha sy ny vaovao. Nandao ny Lapan'i Mahazoarivo Andriamatoa Ntsay Christian, rehefa lehiben'ny Governemanta nandritra ny 7 taona sy 3 volana... ♦ Miantso ny antoko politika rehetra hanatevina ny tolona ny Génération Z. Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena indray izy ireo ny maraina teo, taorian'ny fitsipahana ny fanendrena Praiministra, alina... ♦ Mitaky ny hanarenana ny lafiny sôsialiny ireo mpampianatra amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao. Tokony averina amin'ny Ministeran'ny fanabeazana ny teti-bola 200 miliara Ariary, nomena ny JIRAMA hoy izy ireo...

♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...

• Ho fantatra afaka antsasakadiny eo, ny anaran'ny Praiminisitra vaovao... • Mbola tsy tafiditra tao Ambohijatovo aloha hatramin'ny androany, ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra. Mpanao gazety iray kosa no naratra nandritra ny fifanjevoana teny Anosibe... • Hanomboka rahampitso ny fitaterana ireo milina mpamokatra herinaratra izay efa nijanona ela tao Toamasina...

♦ Mbola mangingina ny ao an-drenivohitra ny tapany maraina teo. Mikasa ny hanohy ny hetsi-pitakiana ireo tanora anatin'ny Gen Z. Mbola voadidina mpitandro ny filaminana hatrany eny Ambohijatovo sy Analakely... ♦ Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Nonce Apostolique, solontenan'ny Papa eto Madagasikara. Miaraka mifampizara ny mafy sy ny fijaliana ary ireo olana manahirana ankehitriny ny Eveka hoy i Mgr Thomasz Grysa... ♦ Niova indray ny vidin-tsolika ampiharina eto Madagasikara amin'ity volana oktobra ity. Nisy ny fidinana amin'ireo karazan-tsolika sasany, nisy koa anefa ny nisondro-bidy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...