♦ Lasa Paroasy ato anatin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Ekar Masina Maria Mpanampy. Nambara araka ny fomban'ny Fiangonana, omaly ny momba izany... ♦ Mitady hivaona amin'ny tolona ny asan'ny Governemanta tao anatin'izay roa volana izay hoy ny Antenimieran'ny tolona. Tafatsangana ny sabotsy teo nandritry ny fihaonamben'ny mpitolona teny Ampefiloha io vovonana io... ♦ Tsy mahomby ary tsy nitondra vahaolana ho an'ny sehatra tsy miankina ny Praiministra sy ny ministry ny asa hoy ny SVS, izay niatrika Kôngresy nasiônaly ny sabotsy teo. Nanapaka izy ireo fa mitohy ny tolona ho an'ny mpiasa... ♦ Nanomboka alina ny CAN 2025, izay tanterahina any Maroc...

♦ Efa manomana ny fifidianana ho avy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Noamafisiny fa isan'ny paik'ady ny fananganana vondrona parlematera vaovao... ♦ Hitombo ny rano vokarin'ny Orinasa JIRAMA eny Mandroseza. Misy ny asa fanarenana ka tombanana hiakatra hatrany amin'ny atsasany ny rano vokarina afaka 2 volana... ♦ Misy ny fikasàna hanangana ny holafitry ny mpiasa sôsialy. Mikarakara izany ny ISTS eny Mandrimena Iavoloha sy ny sampana manofana ho mpiasa Sôsialy eny amin'ny oniversite... ♦ Nitatitra ny zava-bita nandritry ny 12 volana farany ny filoha Rosianina...

♦ Nahavita be tamin'ny famolavolàna mpisehatra amin'ny asa sôsialy ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sôsialy (ISTS) eny Mandrimena Iavoloha. Ivon-toerana mankalaza ny faha-65 taona nijoroany... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo omaly, ny filohan'ny fanavoazana ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny delegasiôna niara-dia taminy. Tsy ho vita ao anatin'ny fotoana fohy hoy ny Koôlônely Randrianirina Michaël ny fanarenana ny firenena potika an-taonany maro... ♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Nanjaka ny demôkrasia teny Tsimbazaza, nalalaka ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka... 

• Volavolan-dalana miisa valo, niampy tolo-dalana iray no nolaniana teny amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny fivoriana ara-potoana faharoa nifarana androany. Tafatsangana ihany koa ny vaomiera mpanadihady miisa fito... • Ny vahoaka Malagasy ihany no tompon-kevitra amin'ny tokony hamerenana an-tanindrazana, na tsia, ny mpialokaloka politika Malagasy any ivelany, fa tsy ny Vondrona SADEC, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Mankalaza ny faha-65 taona nijoroany ny Ivon-toerana Ambony ho an'ny Asa Sosialy, na ny ISTS, eny Mandrimena Iavoloha. Nomarihana androany tamin'ny alalan'ny Sorona Masina izany...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...