♦ Tsy ekena ny fanakorontanana ataon'ny mpanohitra izay olom-bitsy, amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mila fantatr'ireo mpizaika amin'ny fivorian'ny COI ny olona misy iainan'ny vahoaka hoy ny antoko TIM... ♦ Mametraka tanjona hamongotra andiam-balala amina velaran-tany 100.000Ha hatramin'ny 2028 ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara... ♦ Harenina manontolo y toby famokarana rano eny Mandroseza-I hitombo 40.000m3 isan'andro ny rano vatsian'ny JIRAMA eny Mandroseza aorian'ny fanarenana...
• Nanamafy ny hanatanterahany ny hetsika ny avy amin'ny mpanohitra, manoloana ny fahatongavan'ireo vahiny hanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana... • Handray fepetra manokana ny mpitandro ny filaminana, mandritra ireo hetsika lehibe eto amin'ny firenena ny 23 sy 24 avrily 2025, araka ny tinapaky ny EMMONAT... • Tsy maintsy ho vita mialoha ny volana aogositra 2026, araka ny fe-potoana voafaritry ny lalana, ny fifidianana eo anivon'ny UCTU, hoy ny filohany...
• Mpiasan'ny Kaominina miisa 300, miampy ny mpiasan'ny minisitera maherin'ny 3.000 no nisahana ny fanadiovana ny tanana, ho fiomanana amin'ny fandraisana vahiny amin'ny Fivoriamben'ny COI... • Voasazy 10 taona an-tranomaizina, sazy mihatra, miampy fandoavana lamandy, ny olona roa manao fitrandrahana sokatra tsy ara-dalana. Iray amin'ireny ny Solombavam-bahoakan'i Soavinandriana... • Mampiantrano ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny toe-karena manga ny Faritra Atsimo Andrefana. Tanora avy amin'ny firenena afrikana maherin'ny 20, no mandray anjara amin'izany...
♦ Nosazian'ny Fitsaràna ireo olona telo voasambotra nandritra ny lanonana fametrahana samboady ireo ben'ny tanàna any amin'ny Distrikan'i Vatomandry. Anisan'izany ny mpiara-miasa amin'ny Solombavambahoaka Sophie Ratsiraka... ♦ Mandrisika ny hitakiana ireo "Îles éparses" ho an'i Madagasikara amin'ny fahatongavan'ny filoha Frantsay eto ny antoko V.H.T. Izany no tokony atao raha tena tia tanindrazana ny filoham-pirenena Malagasy, hoy ny mpitarika ity antoko ity... ♦ Hiparitaka ny mpitandro filaminana, mandritra izao fiatrehana ny Herinandro Masina izao sy ho fiomanana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco