♦ Tsy nisy olona voan'ny Coronavirus ireo olona natao fitiliana tato anatin'ny 24 ora... ♦ CVO na Covid Organics, io ilay tambavy hampiakatra ny hery fiarovana, hisorohantsika ny fiparitahan'ny Covid-19 novokarin'ny IMRA... ♦ Nanomboka androany avy hatrany ny fandamin'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, miaraka amin'ireo any amin'ny DRENETP...

♦ Mitaky ny fahalalahana maneho hevitra mba ahazoana vaovao marim-pototra ny hetsika ROHY na dia izay ambara fa fanakianana mivaivay indrindra aza... ♦ Tsy mbola vita ny ady amin'ny valan'aretina Coronavirus, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hametrahana fitaovana ahafahana manasa tanana amin'ny rano sy savony ireo toerana rehetra tsy ahitana rano nefa be mpandalo...

♦ Hiverina tsikelikely ny fiainana andavan'andron'ny mponina indrindra fa ny asa fivelomana amin'ity herinandro ity... ♦ Olona vaovao iray omaly no voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Miantso ny Fiangonana isan'isany manerana ny Nosy mba hahatsiaro hanolotra izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny olona tena sahirana ny Filohan'ny FFKM...

♦ Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka omaly indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasiakra, araka ny didim-panjakana nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Ministra... ♦ Nidinika niaraka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vondron'ny Koperativa miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU... Saika miandrandra fanampiana avy amin'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ireo sokajin'olona tsy afa-miasa noho ny fihibohana...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...