♦ Miantso ny kristianina lahika handray andraikitra any amin'ny fiaraha-monina misy azy manoloana ny fiatrehana ny Coronavirus ny ray aman-dreny eto amin'ny diosezin'Antananarivo... ♦ Tsy hisy ny taona fotsy ho an'ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Baccalauréat amin'ity taona ity...

♦ Nahatsiaro ny namoronan'i Jesoa Kristy ny Eokaristia na ny Fanasan'ny Tompo omaly ny kristianina. Tamin'ny alalan'ny fotoam-bavaka tsy natrehanam-bahoaka teny amin'ny FLM 67Ha no nanehoan'ny FFKM izany... ♦ Tsy nahitana olona nitondra ny Coronavirus tamin'ny fitiliana natao omaly. Mijanona ho 93 ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina...

♦ Hankalaza ny hateloana masina manomboka anio ny kristianina. Amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tsy atreham-bahoaka anefa no hanatanterahana izany ho fisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid... ♦ Manara-maso ireo toerana misy ny tsy fanajana ny fihibohana ao aorian'ny amin'ny 12 antoandro ny ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena...

♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo anio maraina manomboka amin'ny 08 ora, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana ny menaka masina ho an'ny arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Manana zava-maniry ahafahana manasitrana ny aretina ateraky ny Coronavirus i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...