♦ Voasambotra ilay tovolahy 16 taona nanolana zazavavikely 7 taona... ♦ Tsy tokony hisy intsony ny fiakaran'ny vidim-bary manomboka amin'izao volana Novambra izao... ♦ Misy mamefy sy manamafy ny hidin-tranony ieo mponina mipetraka manodidina ny trano fotsy ao Washington noho ny tahotra amin'ny korontana aorian'ny fifidianana...

♦ Namory vahoaka teny an-dalambe tao Fianarantsoa tamin'ny sabotsy teo nanao tatitra tamin'izy ireo ny solombavam-bahoaka TIM... ♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny krizy politika indray ny filohan'ny PRM Ralison Roger... ♦ Hiroso amin'ny fiodinana faharoa ny fifidianana natao tany Moldavie omaly...

♦ Olona 213 vaovao indray no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika. Telo no namoy ny ainy... ♦ Miverina mihiboka tanteraka manomboka anio, hatramin'ny 20 jolay ny eto amin'ny faritra Analamanga... ♦ Miaramila miisa 500 no nahetsika, hanatanterahana ireo fepetra amin'ny fiverenan'ny fihibohana eto Analamanga...

♦ Nahazo vola maherin'ny 2 tapitrisa dolara avy amin'ny Vondrona Afrikana sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, hanampiana ny mponina any atsimo ho afaka hiatrika ny haintany, ny fitondram-panjakana Malagasy... ♦ Hanafoana tanteraka ny délestage matetika eto Madagasikara sy hamporisika ireo mpampiasa vola eto amintsika ny fahavitan'ilay tetik'asa goavana "Autoroute de l'électricité PRIRTIME I"...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...