Nametraka fandaminana, hanampiana sy hanamorana ny fandalovan'ireo olona avy any atsimon'ny nosy, handeha hila ravin'ahitra any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara ny teo anivon'ny Ministeran'ny Mponina, ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny BNGRC...

Tafakatra folo ny isan'ireo olona voasambotra ary nampidirina am-ponja, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg. Andrasana ny ho valin'ny fampiraharahana natao momba ny famerenana eto Madagasikara ireo olona voasambotra tatsy Afrika Atsimo...

♦ Handray an-tanana ny fanampiana ireo olona avy any atsimo tonga eto an-drenivohitra mba hihazo ny faritra nosafidiany ny mpitondra fanjakàna... ♦ Nisy nivarotra tamin'ny vahiny ny ampahany amin'ny tendrombohitra Ambohitrandriananahary. Fahaverezan'ny kolontsaina malagasy ny famarotana ity vakoka manan-tantara ity... 

♦ Miantso ny loholona vaovao lany tamin'ny 11 desambra lasa teo ny filohan'ny Antenimieran-doholona mba hiandry ny fotona ara-dalana voafaritry ny lalana vao hikitika ny ao anatin'izany lapa izany... ♦ Manentana ny olona tsy ankanavaka eto amin'ny Faritra Analamanga, hanaja ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahanan'ny valan'aretina ny ao amin'ny Fitantanam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...