♦ Misy manodikodina ireo fanampian'ny omen'ny fitondram-panjakàna an'ireo kere any atsimon'ny nosy hoy ny filohan'ny CFM... ♦ Mbola afaka manarina ny lesoka amin'ny fambolem-bary noho ny fahataran'ny rotsak'orana ireo tantsaha... ♦ Namerina ny antso avo nataony mba hanatanterahana ara-drariny ny vaksiny hisorohana ny Covid-19 i Vatican...
Maherin'ny 3600 ny traboina, iray no namoy ny ainy. Ny sekoly sy ny lalana ary ny tranom-panjakana no tena nahasimbana, vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza Eloïse farany teo. Faritra fito no tena voakasika mivantana teto amintsika, fa Analanjorofo sy Boeny no tena voa mafy, raha ny tatitry ny BNGRC, io tolakandro io...
Misy mikasa hivarotra tany amin'ny vahiny any Nosy-Be, raha ny tatitry ny filohan'ny filankevitra monisipaly any an-toerana sady Loholona teo aloha, Joseph Yollande. Milaza ny tsy hanaiky izany, hoy izy, ny mponina any an-toerana ka mikasa ny hanao hetsika ho fenoherana izany...
♦ Namoizana ain'olona iray tany Maroantsetra, raha ny fantatra aloha hatreto, ny rivodoza Eloïse. Tafakatra 2804 kosa ireo olona traboina... ♦ Olona 33 tamin'ireo 44 natao fitiliana no voamarina fa tratran'ny Coronavirus, teny amin'ny tranon'ny mpianatra teny Ankatso...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco