♦ Manao fanadihadiana momba ilay volamena 73 kilao mehery, niainga teto Madagasikara, tratra tatsy Afrika atsimo ny firaisamonim-pirenena... ♦ Diso fanantenana amin'ny fidinan'ny vidin'ny lavanila ireo mpandraharaha sy mpamboly any amin'ny faritra Sava... ♦ Miverina tsikelikely ny tsena ivelan'ny vokatra Canelle ho an'ny Madagasikara... 

♦ Miantso fitoniana manoloana ny toe-d'raharaha politika mafampana tato ho ato ny solombavambahoaka IRD... ♦ Hanomboka rahampitso ao Antananarivo Renivohitra ny famarotana ny vary tsinjo, 1.500Ar ny kilao... ♦ Ady amin'ny coronavirus, nofendrahana ranom-panafody ireo toerana ivezivezen'ny olona maro ao an-drenivohitra... 

Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...

♦ Ny lalàna velona eto amin'ny firenena no tokony ampiharina amin'ny fametrahana ny mpanohitra amin'ireo toerana natokana ho azy amin'ireo andriampanjakàna isan-tsokajiny... ♦ Efa tonga eto Antananarivo nanomboka omaly ny ampahany  amin'ireo vary 7.000 taonina nafaran'ny fanjakàna... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...