♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...
♦ Hitady ny fomba handravana ny didim-pitsarana nivoaka momba ny raharaha andramena tany Singapour sy ilay fandoavana onitra amin'ny orinasa vahiny Polo Garment, potika tamin'ny taona 2009 ny fitondrana malagasy, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Mbola hisy fanadihadiana atao momba ny nahatrarantsika ny Pic na tsia, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nambarany fa mbola anatin'ny ady amin'ny Coronavirus isika, na efa midina aza ireo tranga vaovao...
♦ Maty, voatifitry ny mpitandro filaminana tany Moramanga i Delkely, ilay jiolahy nampitondra faisana ny tany amin'ny Faritra Betsiboka, Alaotra Mangoro ary ny tapany avaratry ny Faritra Analamanga,, nandritra ny fotoana maro... ♦ Hiroso amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana manana fifanarahana manokana ny fanjakana, ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny filaminana eto amintsika...
♦ Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus miisa 249 tamin'ny fitiliana miisa 803, no hita ny 12 mey lasa teo. Olona sitrana 269, lavon'ny aretina kosa miisa fito... ♦ Nitsingerina omaly ny faha-49 taonan'ny fihetseham-bahoaka voalohany teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ao Analakely, Antananarivo Renivohitra, nanoherana ny tsindry hazolena nihatra tamin'ny mpiray tanindrazana tamin'izany fotoana izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco