♦ Tsy tontosa ny fikasan'ireo solombavambahoaka TIM, izay saika hanao tatitra amin'ny vahokan'Antananarivo ny sabotsy lasa teo. Nofehezin'ireo mpitandro ny filaminana ny fidirana teny amin'ny kianjan'ny 13 mey... ♦ Nisy ireo olona voasambotra, voalaza fa nizara vola hanakorontanana sy nandray anjara tamin'ny hetsika tsy nahazoana alalana tamin'ny sabotsy teo. Hiakatra fampanoavana anio, izy ireo...
♦ Tatitry ny solombavambahoaka TIM ho an'ny vahoakan'Antananarivo, mangina ny teny Soamandrakizay... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ka miantso ny tompon'andraikitra tsy ankanavaka hisoroka ny toe-javatra tsy azo ivalozana... ♦ Nidina ifotony ny tany amin'ny Oniversitén'i Toamasina ny filoha lefitry ny antenimieram-doholona Andriamatoa Imbiky Herilaza...
♦ Hanao tatitra amin'ny vahoakan'Antananarivo anio maraina ny solombavambahoaka TIM. Ifanolanana ny toerana hanaovana izany ankohatra ny ao Ambohijatovo... ♦ Nanamafy ny RMDM fa tsy mankasitraka ny fifamonoana eo amin'ny samy malagasy... ♦ Namory ireo mpandraharaha ary nanolotra soso-kevitra ho an'ny mpitondra Andriamatoa Rolland Ratsiraka...
♦ Hitodika ao an-drenivohitra ny mason'ny mpanara-baovao rehetra rahampitso, amin'ny fikasan'ireo solombavambahoaka, hanao tatitra amin'ny vahoaka eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Arahantsika eto ireo fanehoan-kevitra samihafa, manoloana izany... ♦ Olon-tokana akaiky ny mpitondra no mifehy ny asa fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco