♦ Raikitra ny fifandonan'ny samy mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Maninday any Toliara androany. Niteraka faharatran'ny sasany amin'izy ireo ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fitakiana ny vatsim-pianarana mbola tsy voaloa... ♦ Misy mpianatra vitsivitsy mararin'ny Coronavirus koa eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona. Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny Filohan'ny mpianatra, manoloana izany...

♦ Manentana ny olom-pirenena tsy hamboly korontana fa hanaja ny tany tan-dalàna ny mpitandro filaminana. Hiroso amin'ny fisamborana an'ireo mpanentana roalahy ao amin'ny miara-manonja izy ireo... ♦ Mitaraina ny orinasa madinika sy salatsalany an-jatony misehatra amin'ny fikojakojana ny lalana fa tsy mbola misy hatramin'izao ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena eto Madagasikara... 

♦ Nanazava ny andraikitr'izy ireo momba ny fandikan-dalana ataon'ny olom-pirenena ny mpitarika ny EMMONAT. Mampihatra ny lalana fa tsy miandany na manao pôlitika ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Nanolotra ny antotantaratasy mirakitra ny famotsoran-keloka ho an'ireo misitraka izany teto amin'ny Faritanin'Antananarivo ny CFM...

♦ Azo atao tsara ny mampisambotra ireo olona any ivelany nanao fandikan-dalana, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta na ny samy fitsarana, hoy ny mpitandro ny filaminana na ny EMMONAT androany... ♦ Ny amin'ilay fandorana olana tany Betroka kosa, olona enina no efa voasambotra, ary hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...