♦ Namerina nampahafantatra androany ireo solombavambahoaka TIM fa hakisaka eny amin'ny Magro Tanjombato ny tatitra amin'ny vahoaka saika hataon'izy ireo eny Soamandrakizay. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Prefektioran'ny Pôlisy Antananarivo... ♦ Nivadika ho andro ratsy ilay tangoron-drahona naraha-maso tao amin'ny Lakandranon'i Môzambika. Anio alina izy no hanatona ny maron-tsiraky ny faritr'i Melaky, ka mety ho lasa "dépression tropicale"...
♦ Tsy misy afatsy ny fifampidinihana ihany hoy ny komity Miaro ny Soa Iombonana ny famahàna ny toe-draharaha politika misy ankehitriny... ♦ Nitondra voka-tsoa tamin'ny fanatsaràna ny fari-piainan'ny tantsaha ny fametrahana ny rafitra nisahana ny tahiry ifanohanana teny Ifotony hoy ny filoha nasiônalin'ny FIFATA... ♦ Natao tany amin'ny faritr'i Vakinakaratra ny atrik'asa momba ny tany manana sata manokana iaraha-mitantana...
♦ Tsy hanome alalana ny hetsika politika ataon'ny solombavambahoaka Tim eny Soamandrakizay ny Prefet Antananarivo. Tsy mihemotra fa mitana ny heviny ny mpanohitra... ♦ Nanolotra fotodrafitr'asa fitehirizana hazan-drano ho an'ny FMMA ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Horaisin'ny Fanjakàna an-tanana ny fandrindrana sy ny fandaminana ny voka-bary miala amin'ny tantsaha mandra-pahatonga any amin'ny mpanjifa...
Nanolotra fotodrafitrasa fitehirizana na fikarakarana amin'ny fomba hafa ny hazandrano, ho an'ny fikambanan'ny vadin'ny mpanjono tany Mahajanga, androany tolakandro ny vadin'ny Filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina. Hetsika ao anatin'ny fanamariahana hatrany ny andron'ny vehivavy...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco