♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo antenimiera roa. Lahadinika lehibe amin'izany ny fifidianana ireo ho solontenan'ny parlemanta eny amin'ny HCC... ♦ Hohamafisina indray ny sazy ho an'ireo tsy manaraka fepetra sakana amin'ny Covid-19... ♦ Mpampianatra iray no voakasin-tanana omaly teny Ankatso, nahazo fahafahana ireo mpianatra 03 eny Vontovorona...
♦ Zaza roa no namoy ny ainy, olona enina hafa naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny Lalam-pirenena voalohany androany maraina... ♦ Ho entitra amin'ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra, manoloana ny fiakaran'ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ny ato amin'ny Faritra Analamanga...
♦ Nahazo fahafahana vonjimaika misy fepetra ireo Malagasy miisa 03, tratra tatsy Afrika atsimo, voarohirohy tamin'ilay raharaha volamena 73,5kg... ♦ Tsy mbola hikatona ny Oniversite an'Antananarivo eny Ankatso, na misy amin'ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra aza no voalaza fa voan'ny Covid-19. Anton'izany ny fisorohana ny taona fotsy...
♦ Niampy dimy indray ireo matin'ny Coronavirus eto amintsika, dimy amby zato ireo tranga vaovao, araka ny tarehimarika farany, momba ny fivoaran'ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso omaly, nandritra ny fitokonan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra telo no voasambotra teny Vontovorona...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco