♦ Mitohy ny hazalambo ireo dahalo, izay nanafika tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. Hatreto dia an-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony kosa ireo dahalo voasambotra... Fampitam-baovao avy amin'ny Antenimieram-pirenena, nanazava ny tsara ho fantatra mikasika ny tolo-dalana mifehy ny zom-pirenena malagasy...
♦ Iray volana mahery mialohan'ny fanadinana CEPE sy BEPC, tomombana hatrany amin'ny 80% ny fanontana ny taratasim-panadinana eny amin'ny orinasa CNAPMAD... ♦ HIjery manokana an'ireo toeram-piantsonan'ny taxi-be mety mahatonga ny fitohanana be loatra ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo... ♦ Tsy anjaran'ny fitondram-panjakàna no mamaritra izay olona ho lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara hoy ny antoko otrik'afo...
♦ Tsy misy fiovana ny datin'ny fanadinam-panjakàna amin'ity taona ity hoy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Misy ny fenitra ara-pedagojia eny anivon'ny sekoly mba ahafahana miatrika izany... ♦ Nanapa-kevitra hampihato ny fitokonany manomboka anio ny mpiasa sy ny mpandraharaha eo anivon'ny Oniversite Antananarivo. Hiandry ampitoniana sy hanara-maso ny famahàna ny olana ny sendikà... ♦ Miisa 35 ireo mpilalaon'ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny fampivondronana voalohany miaraka amin'ny mpanazatra Eric Rabesandratana ny 7 hatramin'ny 18 jona ho avy izao...
♦ Tsy miova ny datin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany. Mbola mila roa volana sy tapany hamitana ny taom-pianarana kosa ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonany manomboka rahampitso ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco