♦ Tokony hitàna ny teniny ka hanaiky an'Andriamatoa Ravalomanana Marc ho filohan'ny mpanohitra ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hoy ny RMDM... ♦ Angatahan'i Afrika-Atsimo ny pitsopitson-dalàna malagasy mialoha ny hanapahany hevitra amin'ny hamerenana na tsia eto Madagasikara ilay volamena 73,5kg... ♦ Feno dimy taona anio ny nahafatesan'i Om-gui tao amin'ny tarika Ny Ainga... 

♦ Notsipahan'ny RMDM ilay lalàna vaovao mifehy ny mpanohitra vao nolanian'ny Parlemanta farany teo. Nanao fanambarana teny Bel-Air izy ireo androany, nilaza fa tsy manaraka ny voalazan'ny Lalam-panorenana io lalàna io... ♦ Nisokatra manomboka androany ny fitaterana olona amin'ny zotra nasiônaly sy zotram-paritra. Nananika ny 5000 isa ireo mpandeha niainga ho an'ny teny amin'ny Gare Maki Andohatapenaka fotsiny...

♦ Miantso ny fanjakana hijery akaiky ny olan'izy ireo ny tompon'ny orinasa nanao ny fikojakojana ny lalana manerana ny nosy. Mbola tsy naharay ny vola tambin'ny asa izy ireo hatramin'izao... ♦ Eo am-piandrasana ny vokatry ny fanadihadiana parlemantera momba ny raharahan'ny orinasa Sofitrans, ny mpiasa ao aminy ankehitriny. Izy ireo izay miaina fahasahiranana noho ny fampiatoana ny sidina...

♦ Mbola mitohy ankehitriny ny hazalambo ataon'ny mpitandro ny filaminana an'ireo dahalo nanafika tany Midongy Atsimo. An-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony ireo dahalo voasambotra... ♦ Tsy laharam-pahameha ny fanamorana ny fahazoan'ny vahiny zom-pirenena malagasy, hoy ny Solombavam-bahoaka TIM, Todisoa Andriamampandry...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...