♦ Miantso ny herivelona sy ny mpitondra fanjakana hifanohana sy hitandro ny firaisan-kina ny FFKM mba hampirindra ny fiainan'ny vahoaka Malagasy... ♦ Nangiana tsy toa ny isan-taona ny alatsinainin'ny Paka tamin'ny faritra samihafa... ♦ Naato amin'ny asany noho ny antony ara-eknika ny mpiasa mikarama isan'andro miisa 1200 tao amin'ny orinasa iray mpanao sakafo...
♦ Herinandro fahefatra ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana ity herinandro vaovao ity. Miantso ny mponina any amin'ireo faritra ampiharana ny fhibohana ny mpitondra tenin'ny CCOC ety Ivato mba hanaja hatrany ny fepetra ampiharina... ♦ Nankalaza ny Paka tamin'ny alalan'ny fanarahana ny fotoam-bavaka tany an-tokantrano ny kristianina teto Madagasikara...
♦ Famonoana ny orinasa malagasy ny fitakian'ny fanjakana hetra amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Tsy mba voatonona ao amin'ireo sokajin'olona nahazo sy hahazo ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'izao fampiharana ny fepetran'ny fihibohana izao ny olona manana fahasembanana...
♦ Ny fibanjinana ny fijaliana sy ny fahafatesan'i Jesoa Kristy no nifantohan'ny vavaka notanterahana omaly Zoma Masina teny amin'ny Katedraly Andohalo... ♦ Nisy olona sivy vaovao indray voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ka nampiakatra ny tarehimarika ho 102. Ny 91 tsaboina eny amin'ny hôpitaly, ny 11 kosa no sitrana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco