♦ Nanao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao pôlitika samihafa, manoloana ilay voalaza fa fisian'olona mikasa hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Fanehoan-kevitra vitsivitsy no entintsika amin'izao vaovao izao... ♦ Mikaon-doha momba ny raharaham-pirenena, eto Antananarivo, ny avy amin'ny RMDM sy ireo ankolafin-kery. Milaza ho manana vahaolana, manoloana ny fiainam-bahoaka izy ireo, ao aorian'izao fakan-kevitra izao...

♦ Nisy ny fisavana ny trano fonenan'ny iray tamin'ireo olona voasaringotra tamin'ny fikasana hamono ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina. Basy sy bala niaraka tamin'ny vola be no hita tamin'izany... ♦ Misy amin'ireo foibem-pitsarana fanadinana BEPC, no mamarana ny fitsarana taratasim-panadinan'ireo miadina, anio zoma...

♦ Namoaka fanambarana ny Arsevekan'Antananarivo, manoloana ny raharaha mafampana eto amin'ny firenena ankehitriny. Ho entintsika manontolo amin'izao vaovao izao izany... ♦ Olona enina no efa voasambotra amin'ny raharaha voalaza fa fikasana hamono olom-panjakana ambony, raha ny tatitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka androany. Mety mbola hisy olon-kafa hosamborina, hoy hatrany izy...

♦ Nisy nikasa hamono ny filohan'ny Repôblika ankehitriny. Efa nisy ny voasambotra. Nanambara ny vaovao alina ny tonia mpampanoa lalàna amin'ny fitsaràna ambony eto Antananarivo Razafiarivony Berthine... ♦ Nihaona tamin'ny filoha nasiônalin'ny Antoko TIM Marc Ravalomanana ny mpanolo-tsaina voalohan'ny masoivoho amerikana eto amintsika... ♦ NIdina tany amiin'ny Fokontany Antsahalava Kaominina Tsarazaza-Fandriana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hampanara-dalàna ny fitrandrahana volamena ao Sahatorendrika... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...