♦ Tsy ekena intsony ny gaboraraka amin'ny fivezivezen'ny harena ankibon'ny tany tsy ara-dalana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nihaona tamin'ny mpiasa teo anivon'ny minisitera misahana izany izy omaly... ♦ Nankasitrahan'ny vondron'ny mpitatitra eto Madagasikara, ny fisarahan'ny Minisiteran'ny fitaterana amin'ny minisitera hafa...

♦ Voavaha amin'ny ampahany ny olan'ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar, izay saika hiroso tamin'ny fitokonana fanairana androany. Hahazo ny karama roa volana tsy voaloa sy hatramin'ny faran'ny taona, izy ireo... ♦ Ny Praminisitra no hitantana vonjimaika ny Minisiteran'ny Herana ankibon'ny tany, manomboka androany. Fitantanana vonjimaika, tao aorian'ny fametraham-pialan'ny Minisitra vao notendrena, ny alakamisy teo...

♦ Hiakatra fitsarana anio ny raharaha nanaovana filan-dratsy tamin'ny ankizivavy kely mirahavavy teny Andraondrikely Ivato. Maniry ny tsy hanamaivanana ity raharaha ity sy ny hanasaziana ny nahavanon-doza, araka ny rariny sy ny hitsiny ny fianakaviana... ♦ Andrasana ny fanapahana manamarina ny fahabangan-toerana eny amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, fanamarihana avy amin'ny HCC, vao afaka manendry ny solontenan'ireo parlemantera lasa minisitra...

♦ Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, ato anatin'ny dimy ambin'ny folo andro... ♦ Dimy amby telopolo taona izao no nisian'ny Vondon-kery misahana ny filaminana sy ny vonjy taitra manokana, eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Notanterahina tety amin'ny ivotoerany tety Ivato ny fanamarihana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...