♦ Nitombo 12% ny isan'ireo mpiadina bakalorea raha oharina amin'ny tamin'ny taon-dasa... ♦ Tsy manaiky lembenana amin'ny taniny ireo olona eny Antanandrano, nitohy androany ny hetsika nataon'izy ireo teny an-toerana...

♦ Niabo ny ezaka vitan'ny Fanjakàna teo amin'ny lafiny fampidiran-ketra na teo  aza ny krizy natrehana araka ny tatitry ny asa vita nataon'ny Governemanta nanoloana ny solombavambahoaka... ♦ Tsy ho tratran'i Madagasikara ny fanamby voafaritra ao amin'ny tanjon'ny fampandrosoana lovain-jafy ODD andiany fahaenina, izay kasaina ho tratrarina amin'ny taona 2030... ♦ Nitokona nanomboka androany maraina ny mpiasan'ny kaominina andrenivohitra any Moramanga... 

♦ Nofaritana ho 4,2%  ny fiakaran'ny harin-karena faobe eto amintsika. Ezahina hotazomina 6,2% ny fisodrotan'ny vidim-piainana amin'ity taona 2021 ity... ♦ Hivoaka mandritra ny C.I.T na ny kaonferansa iraisam-pirenena momba ny asa, izay tanterahina amin'izao fotoana izao ny antontan-kevitra farany mikasika ny vahaolana na ny fandraisan'anjara nentin'ny OIT, manoloana ny fisian'ny Covid-19... ♦ Hanomboka ny fanamboaran-dalàna maromaro any amin'ny faritra atsimo atsinanana, isan'izany : Vangaindrano mankany Midongy atsimo, hatrany Befotaka...

♦ Miabo ny zava-bitan'ny Governemanta nandritra ny tao 2020 sy ny tapany voalohany amin'ity taona 2021 ity, na teo aza ny valan'aretina Covid-19 sy ny krizy naterany. Samy nanambara izany androany na ny Praiminisitra na ny Minisitra nandaha-teny nanoloana ny Solombavam-bahoaka... ♦ Niampy dimy indray ireo marary lavon'ny Coronavirus teto Madagasikara, araka ny tatitra navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Niisa 16 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 587 natao...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...