♦ Namoaka hafatra iombonana ho an'ny sekoly katôlika ny eto amin'ny diôsezin'Antananarivo momba ny tsara ho fantatra amin'ny fandaminana ny fidiran'ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana... ♦ Niverina niasa nanomboka androany ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any amin'ny faritra hafa...

♦ Miisa 44 ireo marary nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara no efa sitrana ka nody any amin'ny fianakaviany... ♦ Natomboky ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana tany Fianarantsoa ny fizarana maimaim-poana ny tambavy CVO... ♦ Nitondra ny anjara birikiny amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina Coronavirus ny Loholon'i Madagasikara avy amin'ny antoko HVM...

♦ Tsy nisy tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus ireo olona natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur tato anatin'ny roa andro izay... ♦ Natomboky ny Filoham-pirenena tamin'ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana tany Fianarantsoa ny fizarana maimaim-poana ny tambavy CVO androany... ♦ Efa am-perin'asa tanteraka amin'ny fiatrehana ny fiverenan'ny fampianarana ho an'ireo kilasy hanala fanadinam-panjakana ny eo anivon'ny Ministera...

♦ Amin'ny alalan'ny didy hitsivolana avoakan'ny Filohan'ny Repoblika no nahafahana nindram-bola tamin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena noho ny tsy fahafahan'ny Antenimiera roa tonta mivory... ♦ Tsy hisy fihemorana ny fankalazana ny Fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Mitady hiverina indray ny fanafihana teratany vahiny ao Antsiranana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...