♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka rahampitso ireo parlemantera eto Madagasikara... ♦ Ho fampitovian-jo ny malagasy rehetra manerana ny nosy, amin'ny fampisitrahana fahasalamana ny vahoaka tsy an-kanavaka, CSB manara-penitra miisa 190 no ho vita hatramin' ny faran'ity taona 2021 ity... ♦ Ahiana ny mbola mety hahàritra ny loharano amin'ny faritra maro eto Madagasikara amin'ny fotoanan'ny main-tany amin'ity taona ity , raha tsoa ka tsy milatsaka amin'ny volana novambra ny orana... 

♦ Tsy voahaja ny zon'ireo olona henoina, amin'ny raharaha fikasana hifofo ny ain'ny Filoha, hoy ny mpiaro ny zon'olombelona... ♦ Nampatsiahy ny andraikitry ny Foloalindahy amin'ny fikatsahana ny filaminana sy ny fampandrosoana ny firenena, androany, ny Filohan'ny Repoblika, sady filoha faratampon'ny Foloalindahy... ♦ Nandray fanapahan-kevitra maika amin'ny fanitarana ny hamehana ara-pahasalamana ny any Japon, vokatry ny firongatry ny Coronavirus...

♦ Namoaka fampitam-baovao ôfisialy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena, teny Iavoloha omaly... ♦ Mila hatsaraina ny paik'ady hanapariahana ireo vakisiny fanefitry ny Covid-19, tonga eto amintsika, hoy ny Randrana Sendikaly. Nanoso-kevitra ny hanitarana ny toerana hanaovam-bakisiny izy ireo, mba hisitrahan'ny mpiasa any amin'ny orinasa izany koa...

♦ Nihaona mivantana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany, ny Filoham-pirenena sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Fihaonana, manoloana ny raharaham-pirenena tato ho ato... ♦ Hiaraka amin'ny an'ny fanjakana ny taom-pidiran'ny sekoly katôlika, amin'ny taom-pianarana ho avy io. Ny voalohan'ny volana septambra izao ny fidiran'ny sekoly katôlika manerana ny Nosy...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...