• Mitaky  ny mangarahara momba ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina amin'ny 11 desambra ny solombavambahoaka TIM. Misy ny lesoka tsikaritra tamin'ny dingana narahana tamin'ny fangatahana ny didy avy amin'ny fitsarana na ny "ordonnance" afahana misoratra anaty listra hoy izy ireo...
  • Nigadona teto Madagasikara omaly ny andiany faharoa amin'ny biby nahondrana antsokosoko tratra tany Thaïlande ny voalohan'ny volana mey lasa teo. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'ireo biby hoy ny tompon'andraikitra...
  • Miroso ny tetik'asa fanavaozana ao amin'ny fadintseranana malagasy. Ampiasaina ny saina voatr'olombelona hanafainganana ny famoahana entana...

  • Vola manodidina ny 6 tapitrisa Dolara no nanohanan'i Korea ny fandintseranana malagasy, entina hanatsarana sy hanavaozana ny fomba fiasa...
  • Tandindonin-doza ny bibidia eto Madagasikara. Eo am-pamolavolana ny pôlitikam-pirenena mahakasika ny fitantanana sy ny fanomezan-danja izany isika Malagasy...
  • Tsy afa-po amin'ny fomba fiasan'ny CENI manoloana ny fiatrehana ny fifidianana, ny Solombavam-bahoaka TIM...

  • Hanaovana fanotàna manokana ary hatao peta-drindrina eny anivon'ny Birao fandatsaham-bato ny lisitr'ireo olom-pirenena nahazo ny "ordonnance" avy amin'ny fitsaràna hiditra anaty lisitry ny mpifidy hoy ny CENI...
  • Andrasana anio eto Madagasikara ny fahatongavan'ireo varika sy sokatra andiany faharoa nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, miisa 31 ireo lémuriens mbola tavela any an-toerana ary 155 ireo sokatra radiata...
  • Ratsy kalitao nefa lafo ny vokatra letchi tany amin'ny Distrikan'i Manakara tamin'ity taom-piotazana 2024 ity, nilatsaka avo telo heny ihany koa ny vokatra raha nihoatra ny tamin'ny taona 2023...
  • Misy trangan'aretina tsy fantatra nahafatesan'olona manodidina ny 143 ao amin'ny repoblika Demôkratikan'i Congo, nahitàna io aretina io voalohany ny any Kwango... 

  • Andrasana ny hafatra sy ny fanambarana havoakan'ireo mpizaika manatrika ny kômity Foibe faha -46 ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM, izay tanterahina any Morondava nanomboka omaly talata...
  • Hanomboka anio alarobia 4 desambra ao Tetezambaro-Toamasina ny andiany faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja, tsy andeferana ny resaka kolikoly hoy ny mpitantana ny ENAP...
  • Miato mandritra ny fotoana fohy ny fanamboarana pasipaoro malagasy, noho ny olana ara-teknika, mitohy ny fandraisana ireo antotantaratasy fangatahana hoy ny avy amin'ny ministeran'ny filaminam-bahoaka...
  • Anio alarobia amin'ny 4 ora tolak'andro ora any Frantsa no hiadian-kevitra eny amin'ny antenimieram-pirenena ny momba ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta Michel Barnier...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...