♦ Nahitàna tavoahangy nisy fofona solika nanakaiky ny fahamaizan'ny Rovan'Ambohidratrimo. Olona maro no efa notànana atao fanadihadiana, raha ny namabaran'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Nisehoana trangana ambalavelona tao amina sekolim-pinoana iray tao Mahajanga omaly. Tovovavy mpianatra 50 isa no tratran'izany, ka nihiakiaka sy nihinjitrinjitra... ♦ Nanameloka ny fisiana miaramila tratra tamina fandrobàna vola ny Ministeran'ny Foloalindahy. Namoaka fampitam-baovao izy ireo fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ivelan'ny asa ara-dalàna nataon'ireo miaramila ireo...

• Nankalazaina tany Antsirabe ny sabotsy 25 avrily 2026 ny tsingerin-taona faha-100, namoronana ny vola malagasy Ariary. Notokanana nandritra izany koa ny masoivoho faha-11 an'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Nankalazaina ny sabotsy teo teny amin'ny sekoly ambony manofana veterinera eny Ambatobe, ny andro maneran-tany ho an'ny mpitsabo biby... • Miverina eo amin'ny tontolo politika indray ny Filohan'ny antoko Fanarenana, Filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha, Razafimahefa Herimanana, rehefa nangingina tao anatin'ny roa taona sy tapany teo ho eo...

• Hiova ho "Université virtuelle", izany hoe hiroso amin'ny fampiasana ny tontolo nomerika ny fampitana ny fampianarana eo anivon'ny CNTEMAD... • Mbola mitoetra ho aretina mamono olona be indrindra eto Madagasikara ny tazomoka hatramin'izao. Isan'ny fantatra izany androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany iadiana amin'ny tazomoka... • Nankalazaina androany teny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fanatajahan-tena. Lohahevitra nanamarihana izany ny hoe : ny fanatanjahan-tena manala ny sakana mba hifandraisana...

• Lohahevitry ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ity taona ity ny hoe : "Manorina ho avy ao anatin'ny fandriam-pahalemana"... • Tobim-pahasalaman fototra, na CSB, miisa 501 no efa nisitraka ny fampidirana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Vinavinaina hitombo 90 izany ao anatin'ny 2 volana farany hifaranan'ny tetikasa LEAD... • Fanambin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra rehetra miasa amin'ny sekolim-panjakana, hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...