♦ Niakatra teo anivon'ny Fampanaovana teny Anosy omaly ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hanao hetsika fanakorontanana sy fikasana hanimba fananam-panjakàna tamin'ity volana avrily ity. Isan'ny voarohirohy tamin'izany ilay teratany Frantsay miaramila teo aloha Guy Barret sy Kôlônely Patrick Rakotomamonjy... ♦ Masoivoho maromaro no notendrena nandritra ny filan-kevitry ny ministra hiasa amin'ny firenena aty Afrika sy any Eraopa... ♦ Maherin'ny 840.000 ny aina very vokatry ny loza amperin'asa maneran-tany. Manodidina ny 12 miliara Dollar ny fatiantoka hateraky ny olana ara-tsaina any amin'ny toeram-piasana...

♦ Manohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tamin'ny 26 janoary ny foloalindahy Malagasy. Hitohy anio ny fandravonana ny hevitra sy ny toromarika avy amin'ny tafika manerana an'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny fitarihana haingana ny fikaonandoha hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita (Satan'ny Tetezamita) ho an'ny fanavaozana ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora maro... ♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny mpitàna fomba sy ny taranak'Andriana Zanak'Ambohidratrimo taorian'ny fifandanminana ary tafajoro ny komity hanarina ny rova...

♦ Tsy nitovy hevitra androany ireo mpitàna fomba sy mpitan-kasina sy ny taranaka mpanjaka nandritra ny fivoriana momba ny famerenan-kasina sy ny fanarenana ny rovan'Ambohidratrimo. Niravona ihany anefa ny disadisa taorian'ny fifandaminana teo amin'izy ireo... ♦ Mitohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny 26 janoary ; nanomboka androany ny fandravonana ny hevitra... ♦ Manao antso maika ho an'ny tetezamita ifanarahana, mangarahara sy mampiaty ary ny fanavaozan-drafitra ny firaisamponim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora...

♦ Nampanantsoina ny masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara. Fampiantsoana noho ny fanasokajian'ny Firenena Malagasy ny mpiasa iray eo anivon'ny Ambasady Frantsay ho "Persona non Grata"... ♦ Natao andrana ny fikarohana nataon'ny Profesora Solofo Johnnis, hamadihana ny solika mavesatra trandrahana any Tsimiroro ho solika voadio, hamahàna ny fahatapahan-jiro lavareny eto Madagasikara... ♦ Vita ny fanitarana ny tranon-tseranana nasiônaly etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Notokanana tamin'ny fomba ôfisialy androany maraina izany foto-drafitr'asa izany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...