♦ Olona miisa 2 no namoy ny ainy, 39 hafa mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana, vokatry ny fisotroana rano maloto tany amin'ny Kaominina Andalatanosy, faritra Androy... ♦ Mampitaraina ny malagasy ary manosika azy ireo hanova ny sakafo fihinana andavanandro na mampihena ny fatran'ny sakafo hohanina ny fidangan'ny vidin'ny PPN any Mahajanga...
♦ Miaina amin'ny eo am-pelatanany ireo sendran'ny micro-ny RDB, hiatrehana ny fetin'ny faran'ny taona sy ny taom-baovao. Tsy nisy ny teti-bola manokana natokana ho an'ny fety... ♦ Miantso sy manentana ny mpitondra isan'ambaratongany aty Afrika ny OMS mba hanaafy ny fanaraha-maso ny fihanaky ny tsimok'aretina Coronavirus...
♦ Voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra teo Madagasikara tamin'ity taona 2020 ity. Isan'ireo lasibatra tamin'izany ny firaisamonim-pirenena... ♦ Tokony tsy hisy avahana sy fanilikilihina ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Covid-19 manerantany, hoy ny fanambarana iombonana navoakan'ny vaomiera misahana ny ady amin'ny Covid-19 ao Vatican...
♦ Ho mafimafy ny asa miandry ny mpitandro filaminana amin'ny fanatanterahana ny politika ankapoben'ny fitondrana raha ny vina amin'ny taona 2021... ♦ Vahaolana hisorohana ny kere mahazo ny eny ambanivohitra, araka ny hevitry ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly ny fanaovan'ny kaoperativa tahirim-bary hiatrehana ny mainttso ahitra...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco