♦ Nankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara, tao amin'ny Distrika Bemanevika, niasan'ireo misionera voalohany, diôsezy Ambanja, omaly, ny fikambanana saleziana... ♦ Baolina kitra, niala tamin'ny isa aotra, ka lasa manana isa telo ao anatin'ny vondrona "J" misy azy i Madagasikara. Resin'ny Barea i RDC... ♦ Fahasalamana : tsy hiasa ireo mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny HJRA sy ny mpitsabo manaraka fiofanana manokana raha tsy mivoaka ny mpampianatra azy ireo nosamborin'ny pôlisy...

♦ Tano 1 080 isa, no may, olona maherin'ny 6 000 no tra-boina vokatry ny hain-trano mampivarahontsana tao antampon-tanànan'i Farafangàna, alina... ♦ Naneho ny tsy fahafaliany ireo mpitsabo eny amin'ny HJRA, ho firaisan-kina amin'ireo mpitsabo roa nosamborin'ny polisy, nampidirina am-ponja vonjimaika, noho ny fiahiana ho nampadositra an'i Eddy boid de rose... ♦ Manaitra ny rehetra, roa taona aty alohan'ny fifidianana amin'ny 2023 ny CFM, nikaro-bahaolana hisorohana olana...

♦ Simba nho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny 44%-ny ala eto Madagasikara tao anatin'ny 60 taona. Misy ny tetik'asa "Biodev 2030" hampiarina manoloana izany... ♦ Miantso ny fanjakàna sy ny mpampiasa tsy hanao tsinotsinona ny fitakiana sendikaly ny SSM, tsy mety hoy izy ireo ny fiheverana fa manao politika ny sendika... ♦ Hampitsahatra ny fampianarana amin'ny sekolim-panjakàna rehetra any amin'ny Faritra Fitovinany ireo mpampianatra Fram, noho ny fandrirarirana nataon'ny DREN...

♦ 12 kilao isan-taona ihany ny volamena nampahafantarina ara-dalana ny fanjakana, nivoaka tany Vatovavy. Hofehezina sy hampanarahan-dalana, noho izany, ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany eto amintsika, ka antony nametrahana ny Birao fandraharahana ny harena an-kibon'ny tany na ny BAM, tany Mananjary androany... ♦ Tato anatin'ny 60 taona izao dia ny 44 isan-jaton'ny ala no simba noho ny fitrandrahana tsy ara-dalana, ka nisy androany ny fivoriana niarahan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny WWF, niresahana ny tetik'asa Biodev 2030...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...