♦ Tonga eny Ambohidahy hifampiresaka nanomboka tamin'ny maraina teo ireo mpikambana telo eo anivon'ny HCC, nanambara fa nametra-pialàna. Nilaza izy ireo fa teny amin'ny Facebook no nahita io taratasy milaza ny fametraham-pialàna io... ♦ Natsangana ny filan-kevitry ny olon-kendry sy ny "comité d'expert", ho fiatrehana ny fanavaozana sy ny fikaonandoham-pirenena. Notendrena nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly ireo mpikambana ao anatin'izany... ♦ Natao ho andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ny zoma 2 janoary 2026 izao. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mampanan-kery izany manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara...

♦ Maromaro ireo mpanao politika nahazo andraikitra ambony eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana. Anisan'ireo voatendry amin'izany toerana izany, Clémence Raharinirina sy Babà Rakotoarisoa... ♦ Mandà ny filazàna azy ireo fa nametra-pialàna ireo mpikambana miisa 3 eo anivon'ny HCC. Namoaka fanambarana ôfisialy izy ireo, omaly hariva... ♦ Miantso fitoniana pôlitika amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao ny lehiben'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nanambara ny fahatratrarany ny lehiben'ny vondrona mpampihorohoro Fanjakàna Islamika i Turquie omaly, isan'izany i Mehmet Gören...

• Miisa telo ireo mpikamban'ny HCC voalaza ho nametra-pialana ary efa nosoloina... • Niaiky amin'ny fisian'ny olana samihafa amin'ny famatsian-drano ao an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA... • Nomena baiko tsy handefitra amin'ireo mpanakorontana eny anivon'ny fiaraha-monina ny polisy, amini'zao fety izao...

♦ Olona roa akaiky ny fitondràna teo aloha no niharan'ny fisavàna trano ny faran'ny herinandro teo. Nosavaina ihany koa ny tranon'Andriamatoa Edgard Razafindravahy, ankoatra an'i Moussa Soalihy, izay voasambotra, omaly... ♦ Nivoizan'ny mpanao pôlitika sasany tato ho ato ny fitakiana fandravàna ny Antenimieram-pirenena, hirosoana any amin'ny tena fanovàna. Te hahazo seza ireo mivoy izany, hoy ny solombavambahoakan'i Faratsiho... ♦ Tsy an'asa ny maro amin'ireo "infirmiers" nahavita fianarana eto Madagasiraka. Misy ireo sampandraharaha handefa azy ireo hiasa any ivelany, miara-miasa amin'ny Holafitry ny Infirmiers eto Madagasikara...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...