♦ Voasambotra tany Bénin ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra, Arizaka Rabekoto Raoul, raha ny vaovao nivoaka an-gazety androany. Efa mandeha ihany koa ny dingana amin'ny fampodiana azy eto Madagasikara... ♦ Efa misy ireo kôperativa mampihatra ny fampakarana ny saran-dalana nanomboka tamin'ity herinandro ity...

♦ Mitaky ny hanitsiana ny karaman'ny mpiasa tsy ankanavaka ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikarana ny SSM... ♦ Miantso ny fanjakana hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ireo sendika ao amin'ny Industrial Global eto Madagasikara... ♦ Tanan-dehibe manerana ny nosy androany, no samy nandray ilay foara ara-toe-karena sy ara-barotry ny Faritra 23 eto Madagasikara...

♦ Tonga androany tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nhy fatram-baksiny Pfzer 390 000 daozy mahery avy amin'ny fitondrana amerikana... ♦ Namoaka fanambarana ny SECES sampana Antananarivo fa tsy hanao afatsy ny fetr'asa tsy maintsy tanterahana izy ireo hisorohana ny fitokonana... ♦ Nisy namono alina ny vadin'ny pasitoran'ny FLM ao an-tapon-tanànan'i Betroka. Tsy mbola fantatra ny nahavanona ny loza...

♦ Hamaha ny olan'ny tsy fahampian-drano eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin'ny alalan'ny fandatsahana orana artifisialy ny ministeran'ny rano sy ny fanadiovana ary fidiovana miaraka amin'ny Jirama... ♦ May ny foibem-pikarohana CNRIT eny Tsimbazaza. Boky maro mirakitra ny fikarohana nataon'ny Malagasy Mpikaroka no may... ♦ Hetahetan'ny fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara ny hametrahana teknisiana eny anivon'ny kaominina hanampy azy ireo amin'ny famokarana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...