♦ Nanetriketrika androany ny fankalazan'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny fetin'i Masindahy Josefa, mpiaro ny Fiangonana maneran-tany. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanamasinana ho diakra sy nanavaozan'ny pretra ny tokim-panompoany... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny Covid-19, araka ny antotan'isa nivoaka androany. Vaky vava ireo olon-tsotra eny an-dalambe fa efa miparitaka ity aretina ity matoa mirotsaka an-tsehatra amin'ny fanentanana ny Polism-pirenena...
♦ Fotoana nofaritan'ny Diosezin'Antananarivo hankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa ny anio, hanatanterahana ihany koa ny fanamasinana diakra sy ny fanamasinana ireo menaka masina hampiasain'ny Fiangonana mandritra ny taona, ary ny fanaovan'ireo pretra ny tokim-panompoana... ♦ Miankina tanteraka amin'ny firenena Afrikanina tatsimo ny tohin'ilay raharaha volamena 73,5 kg, hoy ny Maître Olala. Mbola manjavozavo ihany koa, hoy izy, ny fisamboran'ny Interpol ireo olona telo nomen'ny fitsarana Afrikanina tatsimo fahafahana vonjy maika...
♦ Niampy 173 indray ireo tranga vaovao Covid-19 eto amintsika, olona iray namoy ny ainy, araka ny tarehimarika ôfisialy nivoaka androany antoandro. Mbola Analamanga no ahitana tranga maro indrindra... ♦ Nitokona nanoloana ny fitsarana Anosy androany ireo mponina any amin'ny kaominina Ambatofahavalo Atsimondrano, ho firaisan-kina tamin'ireo olona 24 niakatra fitsarana, noho ny fanoherana ilay fitrandrahana fasika any an-toerana...
♦ Tsy misy fiovàna fa mitoetra ny fandaharam-potoana sy ny lamina efa napetraka amin'ny Eokaristia Masina hatao etsy amn'ny seminera Propédeutique Amboara rahampitso zoma... ♦ Lavin'ny Vovonan'ny foibem-pitantanana nasiônalin'ny fampianara tsy miankina ny fampandoavana vola ny sekoly tsy miankina hiatrehana ny fanadinam-panjakàna CEPE sy ny BEPC...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco