♦ Mahazo laka indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra Atsimo-Antsinanana, ahitàna izany ihany koa any Bongolava... ♦ Miandry ireo anarana 03 avy amin'ny filohan'ny repoblika sisa dia ho feno ireo mpikambana 09 handrafitra ny HCC... ♦ Efa miomana amin'ny fanetsehana ireo Docteurs miaramila ny ministeran'ny fiarovam-pirenena ankehitriny manoloana ny firongatry ny coronavirus... 

♦ Tafakatra any amin'ny Can i Côte d'Ivoire. Miankina amin'ireo lalao roa atao ny Talata izao ny ho avin'i Barean'i Madagasikara... ♦ Efa mandinika ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina ny fitondrampanjakàna, hoy ny Praiministra Ntsay Christian na dia tsy hampihatra ny fihobohana aza i Madagasikara... ♦ Naneho ny fahavononany hatao vaksiny koa ireo mpanohitra ary miandry fatratra ny fahatongavan'izany... 

♦ Sivy ireo matin'ny Coronavirus, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, androany... ♦ Ho fantatra tsy ho ela, hoy ny Praiministra, ny karazam-bakisiny hafaran'i Madagasikara... ♦ Miakatra hatrany ny tahan'ny fandoavan-ketran'ireo orinasa, raha ny tatitra nentin'ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, androany...

♦ Voatendry ho Provinciale vaovaon'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice na ny FMA eto Madagasikara, i Masera Rafaraonisoa Blandine na i Sœur Fara... ♦ Nitombo avo roapolo heny ny tinady amin'ny fanafody CVO+ tato anatin'ny telo herinandro izao... ♦ Mbola tsy afaka tanteraka ny kere any amin'ny Faritra Androy, na nisy orana nilasaka aza tany an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...