♦ Hiakatra 128 MegaWatt afaka enim-bolana ny herinaratra vokarina any Andekaleka. Nijery ifotony ny asa fanarenana tany an-toerana omaly ny Filoham-pirenena... ♦ Mety hitoetra eto amintsika indray ilay fito na ny Zone de Convergence Inter-tropical amin'ity herinandro ity. Ahiana ny ho fahabetsahan'ny rotsak'orana ao anaty fotoana fohy... ♦ Nanjavona ny tohin'ilay raharaha famonoana olona tany Ampano distrika Ambositra tamin'ny taon-dasa, Miantso ny tompon'andraikitry ny fitsaràna ireo niharam-boina...
♦ Tonga any Andekaleka ny "groupe" fahefatra sy ny "transformateur" miaraka amin'izany, ka fara fahatarany afaka enim-bolana hahavitan'ny asa dia heverina fa hiakatra hatrany amin'ny 128MW ny tanjaky ny herinaratra ho vokarian'ny ao Andekaleka... ♦ Hanamafy ny fijerena manokana ny tantsaha Malagasy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjafana. Hisantarana izany ny fametrahana toeram-pamokarana fary sy orinasa lehibe hanodina izany ho siramamy, any Ilaka-Est, any Vatomandry...
♦ Ny fanentanana ny olom-pirenena hazoto handry anjara amin'ny fifidianana no tokony imasoana fa tsy ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, hoy ny Ong Tolotsoa... ♦ Mangataka amin'ny Ministera mpiahy mba hamerina ny fampianarana amin'ity herinandro ity ny vondron'ireo sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Lalana maro kosa no tapaka ankehitriny, toy ny any amin'ny lalam-pirenena faha-6 sy ny lalam-pirenena faha-33B...
♦ Faritra iray eto Madagasikara ihany no tsy nahitàna tranga vaovao amin'ny Covid-19. Nihena anefa ny tranga vaovao saingy nitombo ireo lavon'ny valanaretina... ♦ Hanohy ny fihaonana hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana miaraka amin'ny Vondrona Panorama anio ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMF... ♦ Namaritra toerana hivarotra eny amin'ny toerana fandehanana an-tongotra ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco