• Hosokafana ny alahady 29 desambra ny varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria Tsy Azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Tsy manohintohina ny voka-pifidianana ary tsy misy fiantraikany tamin'ny latsa-bato ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo, hoy ny filohan'ny CENI omaly, nandritra ny famoahana ny voka-pifidianana ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
  • Nanomboka niasa alina ny fiara mpitatitra ao Antananarivo renivohitra iatrehana ny fetin'ny faran'ny taona...
  • Tafakatra 800 tapitrisa Euro ny teti-bidin'ny fahasimbana vokatr'ilay rivo-doza Chido tany Mayotte...

  • Tsy manohintohina ny voka-pifidianana, ary tsy misy fiantraikany tamin'ny latsa-bato ny tsy fahatomombanana tamin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teo, hoy ny Filohan'ny CENI...
  • Namoy ny ainy ilay rasazy 30 taona, noho ny fahamaizana nahazo azy. Tsiahivina fa nisy nandoro ny tranony ny alakamisy 12 desambra 2024, tany Mijolo Gara, Distrikan'i Manakara...
  • Tantsaha miisa 12.000 no nizaran'ny orinasa QMM masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana, tany Tôlagnaro...

  • Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny 11 desambra 2024: Nahatratra 48,79% ny taham-pandraisan'anjaran'ny mpifidy manerana ny nosy. Voahaja ny tetiandro 10 andro nikirakirana ny voka-pifidianana...
  • Misedra olana amin'ny famokarana herinaratra ny eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo noho ny fihenan'ireo tohadrano. Nampanantena ny tsy hisian'ny délestage mandritra ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona, ny orinasa JIRAMA...
  • Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany amin'io taona 2025 io ny Lycée Moderne Ampefiloha. Ny sekoly dia tsy nitsanga-menatra raha miohatra amin'ireo sekoly manerana an'i Madagasikara tao anatin'izay 60 taona izay...

  • Hanomboka anio ny famoahan'ny CENI ny vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanànana sy Mpanolotsaina, isaky ny Renivohi-paritany. Hisantatra izany ny eto Antananarivo...
  • Afaka mametraka fitoriana sy fitarainana eny anivon'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, ireo rehetra tsy afa-po tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina notanterahana ny 11 desambra 2024, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza...
  • Hihena hatrany amin'ny 70 tapitrisa litatra ny fiankinan-doha amin'ny famokarana herinaratra ampiasana soloika, ao aorian'ny fahavitan'ny tobim-pamokarana angovo ao Ranomafana, Distrikan'Ankazobe...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...