♦ Miankina tanteraka amin'ny fivoriam-ben'ny CSM ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny raharahan'ny Minisitra teo aloha, Imbiki Herilaza... ♦ Mitondra fanampiana ho an'ireo ray aman-dreny amin'ny fikirakirana ny antonta-taratasin'ireo mpanala fanadinana, ny CISCO Antananarivo Renivohitra... ♦ Mbola mahatsiaro tena ho adino hatrany ny Distrikan'Ikongo tao aorian'ny takaitra navelan'ny rivodoza...

♦ Andro faharoa amin'ny famindram-pitantanana ataon'ireo Minisitra teo aloha amin'ireo Minisitra vao notendrena ny anio. Mbola nisafidy ny tsy haneho hevitra momba ireo raharaha mafampana eny anivon'ny Fitsarana ny Minisitra Rakotozafy François omaly, teny Faravohitra... ♦ Tsy manantena fiovana amin'izao endriky ny Governemanta nasiam-panitsiana izao ny antoko TIM, izay efa niantso amin'ny tokony hanaovana fitsipaham-pitokisana ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian...

♦ Tombontsoa ambonin'ny firenena no nametrahana ny Governemanta vaovao, hoy ny Praiminisitra, manoloana ny fanovana ireo minisitra sasany... ♦ Tsy nanatrika ny famindram-pahefana teo anivon'ny Minisisteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany ny Minisitra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny Federasiôna Sport Boule Malagasy, herinandro tao aorian'ny vaovao niparitaka fa voasazy ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara...

♦ Mitondra ny anjara biriky amin'ny fanohanana ny tanora ho lasa mpandraharaha amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra ny Tambazotra SOA. Notolorana fitaovana entiny miatrika ny tetik'asany ny tanora ao Antanetibe-Mahazaza... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-18 ny fiofanana sahanin'ny Friederich Ebert Stiftung ho an'ireo tanora maniry ho lasa mpitarika, niisa 24 mianadahy tamin'ity andiany ity... ♦ Hankalazaina amin'ny 23 marsa ny andro eran-tany ho an'ny toetry ny andro, hanamarika izany isika eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...