♦ Tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony ireo mponina voakasik'ilay tetikasan'ny Filohan'ny Repoblika, Tanamasoandro, eny Imerintsiatosika... ♦ Hatomboka amin'ny tanim-panjakana sy ireo olona efa nanaiky hanome ny taniny ny tetikasa, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana... ♦ Nafitry ny CFM ho boky ireo tolo-kevitra hisorohana ny disadisa vokatry ny fifidianana...

♦ Nanao hetsika androany ny solontenan'ireo fokontany enina, voakasik'ilay tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Mitaky ny tsy hikitihana ny taniny izy ireo, nefa mitaraina fa kononkononina hosamborina ny mpitarika... ♦ Miantso ny Fitsarana mba tena hitana ny fahamarinana ny fianakavian'ireo ankizilahy kely roa nitsahan'ny fiara teny Tsarasaotra... ♦ Miandry ny fanatanterahana ny vahaolana naorosony, manoloana ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Tanterahana any Antsirabe mandritra ny telo andro ny atrik'asam-pirenena hanatevenana ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nosoniavin'i Madagasikara... ♦ Tsy tokony hisy fiatraikany goavana ara-toekarena eto amintsika ny ady any Ukraine raha manana paik'ady mazava hiatrehana izany i Madagasikara hoy Andriamatoa Mohamady Sakra... ♦ Miisa roa ireo kandidà hifaninana eo amin'ny toeran'ny  filohan'ny Oniversite Antananarivo. Mbola vonona ny hanohy ny asa fanatsarana efa natombony ny fioloha amperin'asa, ny Pr Ravelomanana  Mamy...

♦ Tsy nisy niaino tamin'ny fitarainana sy ny fitakiana nataony ny mpandraharahan'ny fahasalamana any amin'ny hôpitaly samihafa ka nitokona mitaky ny zony izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Hampanjaka ny oniversite maty mandritra ny roa andro ny sendikan'ny SECES amin'ny volana avrily izao. Tsy eken'izy ireo ny fandavan'ny HCC ny tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny oniversite... ♦ Météo : Hitombo 1,5°C ny maripana eto Madagasikara amin'ny taona 2030, raha tsy misy fepetra hisorohana izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...