♦ Miantso ny fitondrana malagasy tsy hiandany amin'ny atsy na ny eroa ny Antoko Politika Madio, manoloana ny antso ataon'ireo masoivoho vahiny amin'ny raharaha any Ukraine, tokony hitady vahaolana amin'ny toe-karem-pirenena sahady hoy ny APM... ♦ Raikitra nanomboka ny antoandro teo ny fitokonan'ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filamaninana hifehy ny hetsika... ♦ Natolotra ny fampanoavana omaly ireo olona roa voarohirohy tamin'ilay fanapahan-doha zazavavikely roa tany Ambatondrazaka, efa nahiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo...

♦ Mamporisika ankolaka an'i Madagasikara mba hanameloka ny fanafihana ataon'i Rosia an'i Ukraine ireo masoivoho vahiny tandrefana miasa eto amintsika, nihaona tamin'ny ministry ny raharaham-bahiny malagasy ihany koa anefa ny masoivoho Rosiana... ♦ Nitombo 1,91% ny isan'ireo olom-pirenena tafiditra ao amin'ny lisitry ny mpifidy 2022... ♦ Hikarakara filaharam-be mitety tanàna ny vondrona Miaro ny Zon'ny Mpanjifa amin'ny 15 marsa izao, ho fanairana ny fanjakana amin'ny fidangan'ny vidim-piainana...

♦ Andro faharoa amin'ny famangiana sy fankaherezan'ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara Mgr Fabien Raharilamboniaina, ny Diosezin'i Farafangana androany... ♦ Nifarana vonjy maika androany ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Nahitana fitomboany 1,91% raha oharina amin'ny lisitra teo aloha... ♦ Hikarakara filaharam-be mitety tanana, hipaka eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey indray ny VOMZM. Hetsika fanairana ny mpitondra manoloana ny fidangan'ny vidin'entana ilaina andavanandro...

♦ Miantso ny Eveka rehetra hanampy sy hitodika amin'ireo diôsezy tena voa mafy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza teto amintsika ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mbola mitoby ao amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano ankehitriny ny 70%-ny traboina eny amin'ny Fiv-III, Tanà-ville... ♦  Efa misy ny teti-bola hanatanterahana ireo tetik'asan'ny filoham-pirenena, misy ny asa efa mandeha hoy ny tale jeneraly misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...