♦ Tsy maintsy hihemotra avokoa na ny fanadinana na ny fidirana sy famaranana ny taom-pianarana ho an'ny fakiolte maromaro, eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Tsy ho voafehin'ny fitondrana ankehitriny ny olana ateraky ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, hoy ny Antoko Teza... ♦ Mbola tsy milamina tanteraka hatramin'izao ny disadisa misy eo amin'ny orinasa QMM sy ireo andian'ny mponina ao Tolagnaro...
♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...
♦ Hamory ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany ny Federasiôna FOM, handinihana ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Hametraka taninketsa ara-indostria zato mahery manerana ny nosy ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Baolina kitra, hanomboka amin'ny sabotsy izao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboaran'i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar...
♦ Iray volana tao aorian'ny Oniversite maty sy ny Foibem-pikarohana maty, hiroso amin'ny fitokonana fanairana mandritra ny telo andro indray ny sendikà... ♦ Efa manomboka maresaka amin'ny fandraisana ireo vahiny mpizahatany ny any Nosy Be. Sidina folo isan-kerinandro no migadona any an-toerana... ♦ Maro ireo Solombavam-bahoaka tsy manatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza. Hitondra ny heviny ato antin'izao vaovao izao ny Solombavam-bahoaka Rakotondrasoa Fetra...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco