♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE anio ireo mpianatra amin'ny taona faha-5 manerana an'i Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 520.000 no voasoratra anarana... ♦ Miroso ny fangatahan'ny firenena malagasy hanitatra ny rambon-tany ambany ranomasina na ny "plateau continental" any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Miara-miasa amintsika amin'ny fanatanterahana izany ry zareo Sinoa... ♦ Afaka handray mpivarotra avo roa heny ny tsenan'ny Coum eny amin'ny 67Ha manomboka izao. Omaly no notokànana tamin'ny fomba ôfisialy ity tsena nasiam-panavaozana ity...

♦ Fety telo sosona no nankalazain'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, tany Betafo androany... ♦ Efa tonga eny anivon'ireo foibem-panadinana manerana ny nosy, ny taratasim-panadinana amin'ny CEPE, izay hotanterahana rahampitso... ♦ Miroso kosa ny fangatahan'ny firenena Malagasy hanitatra ny rambon-tany ambany ranomasina, any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara...

♦ Nankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina teny amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, raha tsy afaka nanao izany nandritra ny tao roa nisesy, noho ny valan'aretina Covid-19... ♦ Misoko mangina indray ankehitriny ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19. 300 mahery ireo tranga vaovao voatily tamin'ny herinandro... ♦ Asa fampandrosoana ny tapany atsimon'ny nosy, napetraka tamin'ny sabotsy teo ny vato fototry ny fanombohan'ny asa fanamboarana ny Lalam-pirenena 12A, mampitohy an'i Taolagnaro sy i Vangaindrano...

♦ Natao hiarovan'olom-bitsy manao ny tsy mety ilay lalàna vaovao manome "immunité" ny ben'ny tanàna sy ny Governora, hoy Andriamatoa Christian Tabera. Nambaran'ity mpitarika ny antoko ity fa kajikajy hiarovana ny olon'ny fitondrana io lalàna io... ♦ Efa tsy fahombiazana ny zava-misy amin'ny fanarenana ny "Air Madagascar" amin'izao, hoy ny Randrana sendikaly. Milaza ho sarotiny satria misy volan'ny CNaPs, latsak'emboky ny mpiasa amin'ny fanarenana io  kaompania io... ♦ Nisehoana fihetsiketsehan'andian'olona tany Nosy-be Hell ville omaly, mitaky ny hamotsorana an'ilay mpanakanto Ninie Donia...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...