♦ Nikatona omaly ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana fanao isan-taona. Niakatra 1,91% ny olona voasoratra anarana, raha ny lisitra vonjy maika navoakan'ny CENI tamin'ny 28 febroary 2022 teo... ♦ Mila mametraka ny Masoivoho Malagasy eo anivon'ny Firenena Mikambana i Madagasikara, raha mbola te hanohy ny fitakiana ireo nosy manodidina, araka ny hevitry ny antoko Madagasikara ho an'ny Malagasy... ♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny andrana ara-teknika ataon'ny orinasa mpamokatra siramamy any Antanifafy, any Mahajanga Faharoa...
♦ Vaky vava ny teo anivon'ny PAC omaly fa sahirana izy ireo, amin'ny fanenjehina ara-pitsaràna ireo tompon'andraiki-panjakana ambony. Maro tamin'ireo no nahavoarohirohy olona ambony, hoy ny PAC, no tsy misy tohiny ny fitsaràna hatramin'izao... ♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fikaonan-doham-pirenena hanomànana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Vondrona Erôpeana. Tokony havaozina tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny mpanara-maso avy amin'ity vondrona ity... ♦ Lasa narisarisa tamin'ny fanaovam-baksiny isika eto Madagasikara, taorian'ny krisy ara-pahasalamana nentin'ny Covid-19. Hanova paik'ady fanentanana ny Ministera...
♦ Feno 50 taona ny tolom-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972, nitakiana ny hetaheta sy ny tombontsoam-bahoaka. Nosantarina omaly teny Analakely ny hetsika fahatsiarovana izany, hitohy amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Mitaky ny hijerena ny tena marina, sy hampanjakàna ny rariny amin'ny fitoriany ny solombavambahoaka any Bekily, ireo mponina any an-toerana. Nanitsy ny voalazan'io olomboafidy io izy ireo fa manana lonilony aminy ny mponina noho ny olana ara-tany, ka saika nitifirana azy... ♦ Navoaka omaly ny lisitra mirakitra ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CAN 2023, afaka tapa-bolana. Anisan'ireo mpilalao voaantso i Remy Vita, mpilalaon'ny Bayern de Munich...
♦ Dimampolo taona androany no nisian'ny tolona 13 mey 1972. Fitakian'ny mpianatry ny Oniversite, niafara tamin'ny hetsi-bahoaka. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny tolona 72, androany... ♦ Nifarana androany ny fifanakalozan-kevitra andiany faharoa teo amin'ny mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana. Samy vonona sy resy lahatra amin'ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izy ireo...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco