♦ Niakatra avy hatrany, fotoana vitsy tao aorian'ny fikaran'ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana, ny vidin'ny entana ilaina andavanandro eto amintsika... ♦ Nampiakatra ny saram-pitaterana 40 hatramin'ny 50%, ny vondron'ireo mpitatitra amin'ny fiara vaventy manerana ny nosy, nanomboka androany. Voakasik'izany ny fitaterana ireo entana ilain'ny mponina andavanandro... ♦ Mitaky ny tsy ho eo ambany fiahian'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera am-perinasa intsony, ireo mpanakanto ao anatin'ny Filakevi-pitantanan'ny OMDA. Nanao fanambarana teny Faravohitra, natrehan'ny artista maro izy ireo, androany...

♦ Hafainganina ny famoahana ny tamberim-bidy azo avy amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany natokana ho an'ny vondrom-paritra, tokony hisitraka izany hoy ny ministra mpiahy... ♦ Mbola mijanona ao anatin'ny krizy amin'ny ankapobeiny ny teo-karena any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana tamin'ity taona 2022 ity vokatry ny fiatraikan'ny valan'aretina Covid-19, nanomboka ny taona 2020... ♦ Ambony ny tahan'ny tsy fananan'asa ao Toliara, mampalahelo fa saika mirona any amin'ny fotondrana posy avokoa ankehitriny ny ankamaroan'ny tanora tsy an'asa...

♦ Nampidi-bola 2 800 miliara Ariary mahery ho antsika Malagasy ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ho an'ny taona 2019... ♦ Tsy rariny raha ny karana no manjakazaka amin'ny tanin'ny Malagasy, izay ananana taratasy mazava, hoy ireo mponina eny amin'ny Fokontany Morarano-Alarobia, izay nisian'ny fandravana fiangonana omaly... ♦ Ny 66% amin'ny tanjona napetraka amin'ny fambolen-kazo tamin'ity taona 2022 ity no vita ankehitriny...

♦ Nampidi-bola 2800 miliara Ariary mahery, ho antsika Malagasy, ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2019... ♦ Hampahafantarina ny vahoaka Malagasy amin'ny fomba mangarahara ny andraikitra sy ny tontolo rehetra mahakasika ny Tahirim-bolam-panjakana, anatin'ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-60 taonany... ♦ Niakatra nanomboka androany ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Saika nampihatra ny fampitomboana 100 Ariary avokoa ny ankamaroany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...