♦ Namoaka fanambaràna androany ny Filohan'ny HCC teo aloha, nandiso ny vaovao niely momba ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2018, nahavoatonontonona ny anarany... ♦ Noresahan'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly ny momba ny fanelezana vaovao tsy marina amin'ny Facebook, andrasana ny paik'adyy iadiana amin'izany... ♦ Mitaraina ireo delegem-panjakàna manerana ny nosy amin'ny fanantanterahana ny asany. Mahatsiaro ho tsy mitovy amin'ireo mpiasam-panjakàna hafa...

♦ Hiakatra ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly sy rezionaly eto amintsika manomboka ny 22 novambra izao, araka ny tapak'ireo mpitatitra. Tafakatra hatramin'ny 50 000 Ariary mitaha amin'ny teo aloha... ♦ Niakatra ny vidin'ny henan'omby eny an-tsena eto Antananarivo, noho ny fahavitsiany eny an-tsena, antony ny fitokonan'ireo mpitsabo biby... ♦ Sekoly roa no voatery nakatona nandritra ny 15 andro any Morondrava, noho ny firongatry ny Coronavirus, nahitàna tranga noho ny fifampikasohana...

♦ Sekoly roa any Morondava no voatery nakatona mandritra ny 15 andro noho ny firongatry ny Covid-19. Efa mivonona amin'izay mety hisian'ny fahatapahan'ny fianarana izay ny sekoly katôlika... ♦ Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanehoan-kevitra pôlitika nataon'ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina... ♦ Nilanja sorabaventy teo anoloan'ny fitsarana kosa androany, ny fianakavian'i Nasandratra Valimbavaka, ilay zazalahy voalaza fa nodarohan'ny miaramila tetsy amin'ny BANI Ivato...

♦ Mpanao gazety 27 mianadahy no nahavita ny fiofanana amin'ny fiarovan-tena eo am-panatanterahana ny asany. Nikarakara ny atrik'asa fiofanana ny UNESCO sy ny Aye-Aye Production ary ny Zandarimaria... ♦ Vita ny ampahany voalohany tamin'ny fanadihadiana momba ilay seranam-piaramanidina vaovao Ravinala Airports... ♦ Nahavitabe tamin'ny sehatr'asa fanadiovana ny tanàna ny RF2 Diotsiry ao Antananarivo. Manodina ny fako angonin'izy ireo ho lasa zezika azo ampiasaina amin'ny fambolena ihany koa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...