♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fisian'ny aretina samihafa sy ny fitsaboana azo atao toy ny fanaovam-baksiny, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana... ♦ Loza mitatao, hoy ny mpanao gazety Maka Alphonse, raha tsy voahevitra sy voalanjalanja tsara ny mety handraisan'i Madagasikara an'ireo mpifindra-monina... ♦ Nihazo an'i Toamasina indray androany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël, mivady, sy ireo mpanolontsaina avon'ny fanavaozana roalahy... ♦ Noravain'ny praiministra japoney, Sanae Takaichi, androany, ny antenimieram-pirenena any Japon...
♦ Nisy ny atrik'asa voalohany nataon'ny kômity hitarika ny fikaonandoham-pirenena, izay notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Nampahatsiahy ny lalàna mamaritra ny fanendrena PDS ny ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Miisa telo sisa ireo Faritra tsy ahitàna ny MPox eto Madagasikara. Mbola goragora anefa ny fitandremana ho an'ny tsirairay... ♦ Ny Itatra Atidoha (IA) no loha-hevitra iray novoboasan'ny Kardinaly Pietro Parolin niaraka tamin'ireo tanora tao Roma...
• Mifamahofaho ny vaovao momba ny nanendrena an'Andriamatoa Serge Vital, hitantana ny Kaominin'i Toliara. Nilaza ho tsy nanao sonia ny fanendrena azy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... • Ho tonga amin'ny volana febroary izao ny vakisiny fanefitry ny MPOX. Faritra telo eto Madagasikara sisa tsy ahitana trangan'ity aretina nendran-drajako ity, hoy ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany... • Miverina ny sidina mampitohy an'i Toamasina sy i Sainte Marie, hatrany Sambava sy Antalaha, rehefa tsy nisy intsony an-taonany maro. Nosantarina tamin'ny fomba ofisialy nanomboka androany izany...
♦ Manohana ny ezaka ataon'i Madagasikara irosoana any amin'ny fitoniana, ny fitantanana ara-demôkrasia ary ny fanamafisana ny andrim-panjakàna misy ny SADC. Nivoitra izany nandritry ny fitsidihana ara-pomba fanajàna nataon'ny irak'izy ireo, teny Iavoloha omaly... ♦ Tohana lehibe ara-toe-karena hampiroboroboana ny jono sy ny toe-karena manga ny voka-pikarohana hoy ny Ministra Chan Kit Way Jaco. Isan'izany ny voka-pikarohana momba ny dingadingana... ♦ Atahorana ho tapaka ny lalana mankany Ambatomanoina, Distrika Anjozorobe, raha tsy misy ny fanamboarana. Maharitra 2 andro no hanaovan'ny mpitatitra dia mampitohy an'i Talata-volonondry sy Ambatomanoina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco