♦ Nanoso-kevitra ny hamerenana ny "subvention" amin'ny vidin-tsolika, toy ny tamin'ny andron'ny Amiraly Ratsiraka, ny antoko VHT. Nambaran'ity antoko ity fa hanalefaka ny fiakaram-bidy, tsy hiteraka fipoahana ara-tsôsialy izany... ♦ Volamena 6 taonina eo ho eo no naondrantsika tany ivelany, teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2019. Mitentina 360 tapitrisa dolara ny vola vahiny tsy tafaverina an-tanindrazana tamin'io fanondranana io, hoy ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Naaton'ny Ligim-paritra 12 amin'ny asany ny Filohan'ny Federasiôna Malagasin'ny Karate...
♦ Tsy maintsy mivondrona, manolotra kandida tokana ny antoko mpanohitra, raha te hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2023 izy ireo, hoy Andriamatoa Paul Rabary... ♦ Nodimandry alina noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny Tale Jeneralin'ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasika... ♦ Manahy ny amin'ny mety hahavitan'ny taom-pianarana 2021-2022 ny sendikan'ny mampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, na ny SECES Antananarivo, manoloana ny fanapahan-kevitra nandritra ny fivorian'ny Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy...
♦ Ny fametrahana ny "structure de prix" no vahaolana, ahafahana mifampiraharaha amin'ireo mpandraharaha ara-tsolika, manoloana ny fiakaran'ny vidiny atsy ho atsy, hoy Andriamatoa Paul Rabary... ♦ Mbola nanohy ny fitokonana androany ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana BEPC, eny amin'ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha. Namoaka ny "vacation" an'izy ireo ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, nanoloana ity tranga ity... ♦ Nampiantso fivoriam-be tsy ara-potoana ireo Ligim-paritra 12 ao amin'ny Federasiôna Malagasin'ny Karate, manoloana ny olana misy eo amin'ity taranja ity...
♦ Mbola nijanona ho 500 Ariary ny saran-dalan'ny Taxibe tao an-drenivohitra androany. Mbola tsy nampiakatra saran-dalana ihany koa ny vondron'ireo zotra mampitohy ny manodidina an'Antananarivo, na ny UCTS... ♦ Andro vitsy mialohan'ny fisokafan'ny fiotazana lavanila any Sava sy Analanjirofo, entitra ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjiafana tany Paris, nilaza fa tokony hazava tsara ny fanarahan-dalana amin'ny fividianana ity vokatra malagasy ity...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco