♦ Tafapetraka eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny ivon-toerana handrindra sy hitantanana ny fizotran'ny fihaonana antampon'ireo filoham-panjakàna sy governemanta eo anivon'ny SADC ny 3 hatramin'ny 18 aogositra, ahitàna vaomiera 14 mandrafitra izany...  ♦ Tapitra ny faran'ny volana jolay izao ny fe-potoam-piasan'ny tale jeneralin'ny Madagascar Airlines, Thierry De Bailleul. Hisokatra ho an'ireo maniry ny te ho tale jeneralin'ity kaompania ity ny fitadiavana olona vaovao hoy ny ministera... ♦ Nidina ho 58,95% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC manerana ny nosy tamin'ity taona 2025 ity...

♦ Voaantso eny amin'ny PAC sy eny amin'ny BIANCO ny sekretera nasiônalin'ny Antoko AREMA, Annick Zoary Ratsiraka... ♦ Tena miaina anaty fiaraha-monina hafahafa ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny CRN. Marolafy mantsy ireo zavatra mafampàna izay ahiana hitarika any amin'ny korontana... ♦ Mpiasa iray amin'ny efatra maneran-tany no ahiana ho very asa vokatry ny fampiasàna ny saina voatran'olombelona... ♦ Tafaverina eo ambany fifehezan'ny tafi-panjakàna ny tanànan'i Bedouins izay toerana nisian'ny fifandonana teo amin'ny foko Bedouins sy ny Druzes any Syrie nahafatesana olona 89 ny alahady lasa teo...

• Voaantso eny amin'ny PAC sy eny amin'ny BIANCO ny Sekretera Nasionalin'ny antoko AREMA, Annick Zoary Ratsiraka... • Tena miaina anaty fiaraha-monina hafahafa ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny CRN. Marolafy mantsy ireo zavatra mafampana izay ahiana hitarika amin'ny korontana... • Ho entina aminao mpihaino amin'izao vaovao izao koa ny vaovao farany momba ny tetikasa Base Toliara...

♦ Mbola misy tsy afaka miteny hatramin'izao ireo mararin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza noho ny fitsaboana azy ireo. Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny HJRA, omaly... ♦ Tsy tokony hotohizana intsony ny dinika amin'ny Frantsay momba ireo nosy malagasy manodidina hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mbola misy ny fanantenana ny ahitana ilay sambo tsy hita popoka tany Mahajanga hoy ny Ministry ny Fitanterana. Nambarany fa mbola tsy nisy ny porofo hatramin'izao manambara fa rendrika ny sambo... ♦ Mikaondoha anio ireo firenena mandrafitra ny Vondrona Eraopeana, mijery izay fepetra ho raisina hanasaziana an'i Israel...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...